Vetivety dia nivaha ny kidnapping niseho tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Fantatra mantsy izao fa jiolahy roa no efa voasambotra, ka ny iray voatifitra teo amin’ny tongony tamin’ny fotoana saika nandosirany. Omaly no natao ny famerenana (reconstitution”)ny fandehan’ity fakana an-keriny ity. Nandeha nitety ireo faritra rehetra nizoran’ny fangalana an-keriny ny polisy sy ireo voasamboatra, niala tety Ankorondrano tsy lavitra ny mosquée, nandeha teny Ambatobe ary tonga teny Alasora.
Raha vao nisy moa ilay kidnapping ka nahafantatra izany ny havan’ilay olona dia nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana izy ireo. Nihetsika avy hatrany ireo farany. Ny ampitson’ny nahavery ilay olona no nahazo antso ny havany mikasika ny vola takalo. Efa fantatry ny polisy izany koa natao ny vela-pandrika. Raikitra tamin’izay fa ny antsasak’ilay vola aloha no homena ary eny amin’ny kianjan’ny Maki Andohotapenaka ny fotoana hanomezana azy an’ireo jiolahy. Tsy tena vola anefa no tao fa zavatra hafa. Tamin’ny fotoana nifanaovana io no tratran’ny polisy izy roalahy. Saika handositra ny iray nefa dia izao voatifitra teo amin’ny tongony izao. Ilay karàna nalaina ankeriny moa, ny andro saika hanomezana ny vola dia efa votsotra.
Nangonin’i r.s.