Pôlisy avy eto an-drenivohitra no nidina tany Toamasina sy Brickaville ka nanao fisamborana olona maromaro; izay voarohirohy tamin’ny raharaha fakàna an-keriny raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Nisy hatramin’ny tomponandraiki-panjakana, raha araka ny loharanom-baovao mitovy hatrany, no nentina niakatra aty Andrenivohitra ka natao famotorana. Raha ny fantatra hatreto dia mahakasika fakàna an-keriny izay nitranga tao Toamasina ihany no vontoatin’ilay famotorana. Izany hoe tranga efa niseho elaela, saingy mbola nitohy ny fanadihadiana rehefa nahazo vaovao hafa indray ny mpitandro ny filaminana teto Andrenivohitra. Misy hatramin’ny vehivavy sipan’ireo voarohirohy ho mpaka an-keriny no noraofina nandritra ny hetsika. Maromaro no indray nentina niakatra ary mbola misy ihany koa ny karohina any amin’ny toeran-kafa. Midika izany fa misandrahaka be ny tambajotran’ny mpaka an-keriny. Misy ny any amin’ny faritra fa misy ihany koa ny tadiavina eto Andrenivohitra. Samy manana ny anjara asany avokoa ireo mpikambana ao anatin’ny tambajotra. Misy ny mpanaraka sy mpandinika ny fivezivezen’ny olona hatao lasibatra fotsiny. Misy ny mpaka vaovao momba azy. Misy indray koa ny mpanatanteraka ny hetsika. Efa mandalo olona maro izany ny fomba hitondrana ny fakàna an-keriny izay vao tena tontosa. Ao anatin’izany, dia misy ny tomponandraiki-panjakana izay matetika manome alàlana ny voafonja hanao ny fanatanterahana ny fakàna an-keriny. Olona mbola tokony hisazy hatrany mantsy no isan’ny tompon’antoka amin’ny fanaovana “kidnapping” hatreto ary izay no mahavoasaringotra ny olom-panjakana matetika.
D.R