- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping : Nisy nidoboka eny Tsiafahy indray

Kidnapping : Nisy nidoboka eny Tsiafahy indray

Manao tohivakana ny fisamborana sy ny famonjana ireo izay voarohirohy taminny raharaha fakana an-keriny tato ho ato. Raha araka ny vaovao avy amin’ny mpitandro ny filaminana dia nisy lehilahy iray indray nidoboka am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy. Mbola tafiditra ho isan’ny naman-dRamandiamanana Norbert izy io ary ahiana ho isan’ny tompon’antoka tamin’ny kidnapping karana teto an-drenivohitra. Ny momba ireo karana roa, dia i Mustapha sy 4K kosa, dia ny iray ihany aloha no voasambotra hatreto. Tsy iza izany fa Raza, izay mbola tazomina ao amin’ny nosy Comores, satria tsy mbola feno ny taratasy hahafahana mitondra azy mody eto Madagasikara ary hiatrika fanadihadiana. Ny momba an’i Mustapha indray dia mbola ao anatin’ny mangina tanteraka ny mpitandro ny filaminana hatreto na dia voatonona koa aza ny anarany tamin’ny fotoana nisamborana an’i Lama,  ary isan’ny tao anatin’ny lisitra notadiavina tamin’izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici