Tato anatin’ny telo volana izay dia mpaka an-keriny 27 no voasambotry ny zandary. Nitombo efatra indray izany ny faran’ny herinandro teo, izay tsy iza fa ny tariky ry Lama, ilay jiolahy rain-dahiny amin’ny fakàna an-keriny tamin’izany fotoana izany. Ny herinandro teo no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny Sampana fikarohana heloka bevava teny amin’iny faritra Mahitsy sy Ambohidratrimo iny ary Ambodimita sy Ambohimanarina ny jiolahy miisa efatra, izay efa ela nokarohina. Fantatra fa vehivavy ny roa tamin’ireo, vadin’i Lama ny iray. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary, dia mpivady kely iray izay no nahazoan’izy ireo vaovao. Ireto mpivady ireto dia malaza ary tafiditra amin’ny resaka fanaovana fakàna an-keriny. Tsy vitan’izay anefa fa « fantatra ihany koa fa efa nanao fanafihana vola tao amin’ny CT iray tamin’ny taona 2012 ». Tamin’ny fanadihadiana azy ireo no nanoroany ny namany, izay voalaza fa mipetraka eny amin’iny faritra Ambodimita iny. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny zandary. Tratra tao tokoa ireo olona voalaza fa naman’izy ireo : lehilahy niaraka tamin’ny anabaviny. Rehefa nofotorana lalina izy ireo fa indrindra ity vehivavy dia fantatra « fa vadin’i Randriamanana Norbert na i Lama izay tena atidoha nikotrika ny fankana ankeriny nanomboka ny taona 1998 ary nokarohina fatratra tamin’izany fotoana izany ». Nandritra izay fotoana nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny izay tokoa dia efa nahangona fananana maromaro ireto olon-dratsy ireto. Voatery nogiazana avokoa moa izy ireo, indrindra fa ireo azo tamin’ny vola tsy mazava ka anisan’izany ny fiara miisa efatra, trano lehibe telo, eny Ambohibao sy Andakana, ary tany mirefy amina aman-jatony metatra toradroa, eny amin’iny faritra Mahitsy iny. Efa samy natolotra ny fampanoavana avokoa moa izy efatra ireto ary samy nadoboka am-ponja avokoa aloha, miandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo. « Tsy mianona fotsiny amin’ny vokatra toy izao anefa ny eo anivon’ny zandarimaria fa manohy ny ezaka hatrany koa manentana ny olom-pirenena mba hampita amin’izy ireo haingana ny vaovao ahafahana miady sy mamongotra ireny mpaka an-keriny ireny » hoy hatrany ny fampitam-baovao.
m.L