- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping : Ny dadatoany ihany no naka an-keriny ilay zaza

Kidnapping : Ny dadatoany ihany no naka an-keriny ilay zaza

Noho ny fitiavam-bola diso tafahoatra dia ny ao an-trano ihany no aripaka. Rehefa nandrasan’ny mpanara-baovao maro tao anatin’ny telo volana, niakatra fitsarana ady heloka bevava tsotra omaly, tao amin’ny Fitsarana Ambony teto Toliara, ny raharaha « kidnapping » zazalahy kely iray dimy taona, ny 17 mey lasa teo, tokony tamin’ny 10 ora naraina, tao amin’ny fokontany Amboriky, distrikan’i Toliara II, ka ny rahalahin-drain’ity zaza nalaina an-keriny ity ihany niaraka tamin’ny namany telo lahy nahavanon-doza, ary nitaky vola 20 tapitrisa ariary ireo mpaka an-keriny ho tambin’ny famontsorana an’ilay zaza. Tsy nanam-bola afa-tsy efatra alina ariary ny rain’ilay zaza satria mbola hivarotra tany. Nanaiky ireo jiolahy ka nalefa Mvola ny vola. Ny ampitson’io, mbola nitaky vola telo hetsy ariary ireo mpaka an-keriny, ary nandrahona mafy fa hovonoin’izy ireo ilay zaza raha vao tsy halefa Mvola izao ny vola. Nihorohoro ny fianakaviana ka nanao tsipaipaika haingana. Rehefa feno izany dia nalefa Mvola toy ny teo aloha hatrany, ary aorian’io vao havosotra ilay zaza izay voalaza fa nafenina tany Soahazo (110 km mahery avaratry ny tanànan’i Toliara). Nony alina ny andro, gaga ny rehetra fa ny dadatoan’ity zaza nisy naka an-keriny ity ihany no nanatitra ilay zaza tany amin’ny ray aman-dreniny. Nanomboka teo no niahiahy an’ity zaman’ny zaza ity ny fianakaviana, ka narahi-maso akaiky ny fihetsiny, satria nanizingizina mafy ilay zaza raha nofotorana, fa tsy niala tao Andabizy mihitsy izy nandritra ny roa andro nitazonana an-keriny azy. Rehefa nahazo « réquisitions téléphoniques » ny mpitandro filaminana, dia fantatra fa tsy tany Soahazo akory ny toerana nisy sy niaingan’ny antso, fa teto an-tampon-tananan’i Toliara. Natao ny vela-pandrika, voasambotra tao Anketraky ity tovolahy dadatoa 26 taona, raha mbola karohina fatratra kosa ny namany telo lahy tafaporitsaka hatramin’izao. Taorian’ny fifandaharana dia namoaka didy ny Fitsarana, ka voaheloka am-ponja hanao asa an-terivozona 10 taona an-tranomaizina ity dadatoa naka an-keriny ny zana-drahalahiny ity.

Eric Nahoda

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici