- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversKidnapping : Olona iray indray nisy naka an-keriny

Kidnapping : Olona iray indray nisy naka an-keriny

Omaly alahady, nisehoana fakana an-keriny indray tany Toamasina. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa, zanaka tompon’andrikitra iray any an-toerana ity nisy naka ity. Hatramin’izao, tsy fantatra izay misy azy. Teny akaikin’ny “gare routière” no niseho ny “kidnapping”. Olona maromaro nitondra basy mahery vaika toy ny kalach sy PA no indray nifandrombaka naka ilay atao takalonaina. Nanao akanjo toy ny an’ny mpitandro filaminana miloko mainty izy ireo ary nisaraon-tava. Fiara 4X4 miloko fotsy no voalaza fa nentin’ireto jiolahy ireto. Hatramin’izao, tsy mbola misy mangirana ny amin’ity zavatra ity.

r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser