Efa maherin’ny 50 andro izay no tsy hita izay nanjavonan’ilay teratany karàna antsoina hoe Owne Alek rehefa nisy naka an-keriny izy. Teraka ny 01 jiona 1989, feno 25 taona katroka izy io niharan’ny asaratsin’ny jiolahy io. Mila mitsindrona “insuline” isan’andro izy ary teo imason’ny reniny sy ny anabaviny no nangalàna an-keriny azy, tao Ambohijafy-Toamasina. Dimy lahy mitondra basy lava no naka azy, raha araka ny fitantaran’ireo farany. Tsy niandry ela fa efatra andro taorian’ny kidnapping no naloa ny vola takalon’aina. Nampanantena ireo jiolahy fa afaka antsasak’adiny taorian’ny nanomezana ny vola dia havotsotra i Owne Alek. Hatreto anefa dia tsy hita izay nanjavonany. Tsy nisy antso avy amin’ireo olon-dratsy ihany koa nanomboka teo. 50 andro mahery taorian’ny nakàna an-keriny azy, tsy nisy vaovao ary tsy hita mazava izay tena fandraisana andraikitry ny manam-pahefana, kanefa dia ain’olona no voakasika ato anatin’ny raharaha. Manaitra ny fitondrana ankehitriny ny havan’i Owne Alek mba hijery akaiky ny raharaha…
D.R