Efa ho telo andro izay ireo zandary avy amin’ny kaompania Ambato-Boeny miampy ireo namany avy ao Ambondromamy no natory tany anaty ala. Tsy nahazoam-baovao akory aza izy ireo satria tafiditra anaty toerana tsy misy tambajotran-tserasera. “Mifantoka tanteraka amin’ny fanenjehana ireo nanao fakàna an-keriny zazavavy kely antsoina ho Rahima, 11 taona, ireo zandary marobe”, raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny seraseran’ny zandarimariam-pirenena etsy amin’ny Toby Ratsimandrava. Mahakasika ny fidinana an-tsehatra izay nahafahana nanafaka an’i Rahima teo am-pelantànan’ireo jiolahy indray dia fantatra fa avy amin’ny fikaroham-baovao teo amin’ny fiaraha-monina no nahitàna ny toerana fieren’ireo olon-dratsy. “Tao amin’ny trano iray tao anaty ala, tsy mifanalavitra amin’ny lalam-pirenena fahefatra, no nisy azy ireo. Hitan’ireo jiolahy ny niavian’ny zandary ary tsy nampoizin’izy ireo. Tsy afaka nitifitra avy hatrany anefa ireo mpitandro ny filaminana satria nataon’ny jiolahy teo am-povoan’izy ireo ilay zaza”, hoy ihany ny fanazavana. Mba ho fiarovana ny ain’ilay zaza dia tsy nampiasa hery ary navela nitsoaka kely aloha ireo jiolahy ary dia votsotra soa aman-tsara i Rahima. Tsy nisy araka izany ny fifampitifirana ary ilay zaza koa dia tsy nisy herisetra nianjady taminy na kely aza. Ny andron’iny famotsorana iny ihany dia efa raikitra ny fifanenjehana tao anaty ala ary natao ny savahao izay nitohy hatramin’ny alim-be omaly. Sarotsarotra ny fidirana an-tsehatra satria ireo olon-dratsy dia mety ho efa mahay tsianjery ny antsipiriany amin’ny toerana hitsoahany ary koa mitazom-basy izy ireo. Napetraky ny zandary ho tanjona anefa ny tsy maintsy hahazoana azy ireo na maty na velona. Raha ny tombana dia tsy latsaky ny efatra ny isan’ireo olon-dratsy, raha avy amin’ny fanamarihan’ny olona nahita ny fakàna an-keriny ka nijoro ho vavolombelona. Tamin’ny voalohany dia 200 tapitrisa ariary no notakian’ireo mpaka an-kery ary tapaka tamin’ny ady varotra niaraka tamin’ny fianakaviana fa 120 tapitrisa ariary no haloa. Vola izay tsy noefaina satria hitan’ny zandary ny nisy ireo olon-dratsy ary dia avotra soa aman-tsara ilay zaza. Ity tranga ity dia afaka manaporofo fa met ho hita ihany ny misy ny mpaka an-keriny na dia tsy misy aza ny fitoriana apetraky ny fianakaviana. Io koa matetika no lasa ataon’ny mpitandro ny filaminana fialàna bala indraindray mba tsy handefasana lavitra ny fanadihadiana.
D.R