Efa tsy zoviana amin’ny maro intsony ilay anarana satria efa matetika loatra no niditra am-ponja dia tafavoaka indray ary mamerin-keloka. Tany amin’ny taona 2010 ka hatramin’ny 2012 no tena niverimberina tamin’ny gazety mpiseho isan’andro ny momba azy satria nifampitadiavana eraky ny nosy ary voasambotra ihany ny niafarany. Voatonona hatrany izy tao anatin’ny fakàna an-keriny izay nitranga, mitovitovy laharana amin-dry Mahandry sy ry Lamà, tamin’izany fotoana. Migadra eny Tsiafahy ny fahafantaran’ny mpanara-baovao azy kinanjo hay izy efa miriaria ety ivelany ary niverina nanao ny asaratsiny indray. Raha araka ny fanamarihan’ny zandary izay nanao fampitam-baovao mahakasika ny fisamborana an’i Rivopiso dia tafatsoaka tany am-ponja izy. Dia mipetraka avy hatrany ny fanontaniana eto hoe mitombina ve izany hoe any amin’ny fonja faran’izay arovana indrindra no mbola misy tafatsoaka ihany ? Manaporofo avy hatrany ny fisian’ny olona manam-pahefana izay miaro an’i Rivopiso izany zava-misy izany ary tsy vao voalohany rahateo ity mpanao fakàna an-keriny ity no nigadra kanefa tafavoaka. Niova kely tamin’ny fanaony indray izy ka ny nahazoany vola dia ny fanarahana karàna mpanam-bola amin’ny fiarany na môtô. Ananany avokoa ny laharan’ireo izay tompon’ny vola eto an-drenivohitra. Antsoiny avy ato aoriana ary ampihorohoroiny fa hovonoiny raha tsy mijanona. Tsy maka an-keriny ny lehilahy fa kosa mahazo vola avy amin’izany fampitahorana izany. Hafakely ary nivoatra tanteraka ny fiasany, raha tahafina amin’izany. Nisy ny vaovao izay azon’ny zandary izay nanao ny fanaraha-maso azy nandritry ny herinandro maromaro. Voasambotra niaraka tamin’ny namany telo i Rivopiso ary natolotra ny fampanoavana omaly. Raha ny fanazavan’ny zandary hatrany dia nisy fitaka ara-bola nataony tamin’ireo mpiara-miasa taminy ka izany no nanamora ny nahazoan’ny mpanao fanadihadiana ny vaovao momba an’i Rivopiso. Tamin’ny taona 2014 izy no nanao fakàna an-keriny farany ka nahatonga azy niditra am-ponja teny Tsiafahy. 2016 indray anefa dia efa niriaria, ary mety efa ho talohan’izany aza, ary niverina nanao asaratsy. Midika izany fa tsy ahoan’ny tena mpanao heloka bevava intsony ny fonja satria misy ny olona ao ambadiny. Dia tsy atao mahagaga raha hanoratra Rivopiso nanao fakàna an-keriny indray ny gazety afaka roa taona raha ela indrindra…
D.R