Olona enina, isan’ireo atidoha mpikotrika ny fangalàna an-keriny tao an-drenivohitr’i Betsimisaraka tao sy teto Antananarivo no saron’ny pôlisy misahana ny heloka bevava ny herinandro lasa teo. Raha ny volazan’ireto farany tamin’ny mpanao gazety omaly dia anisan’ireo tao ambadika ny fangalàna an-keriny an’i Owne Alek ireto tambajotran-jiolahy ireto. Tratra niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny « ody gasy » fampiasan’izy ireo niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Izany « Papa » sy « Mama » izany no lehiben-jiolahy mitarika azy ireto, ampian’ny mpimasy fantatra amin’ny anarana hoe « Kalanoro ». Fantatra, araka ny voalazan’ireo mpitandro filaminana hatrany, fa pôlisy efa tsy am-perinasa intsony ity « Papa » ity. Tambajotra mpaka an-keriny matanjaka mihitsy ireto ravan’ny mpitandro filaminana ireto, satria dia efa voarohirohy tamin’ny resaka fangalàna an-keriny karàna maromaro tao Toamasina. Anisan’izany ny filohan’ny Fikambanana Khoja tany an-toerana, niseho ny 04 septambra, Owne Alek ny 24 jona, ny tompon’ny fanamboara-mofo Pain Doré, ny 23 aprily lasa teo. Raha ny fantatra hatrany dia mampiasa ody gasy ireto olon-dratsy ireto amin’ny fanantanterahana ny asa ratsiny. Ody gasy sy fombafomba izay omen’i Kalanoro azy izy ireo. Raha ny voalaza hatrany dia ity vehivavy mpimasy ity no herin’ity fikambanan-jiolahy ity, kanefa tsy nahasakana ny fisamborana nataon’ny mpitandro filaminana azy ireo izany ody ampiasainy izany. Tamin’ny alalan’ny angom-baovao azon’ny mpitandro filaminana no nahavoasambotra ny ekipa tao anatin’ity tambanjotra ity. Ireto farany no nahafahana nisambotra an’i Papa sy Mama tetsy 67ha. Voalaza hatrany fa tsy resaka fangalàna an-keriny ihany no mahavoarohirohy an’ity Papa ity, izay tena lehiben’ny jiolahy mihitsy, fa efa nisy ihany koa ny fikasàna hanafika ny Cité tetsy Mandroseza ka nahafaty jiolahy efatra, raha ny vaovao nampitain’ny mpitandro filaminana hatrany. Tetsy amin’ny Fasan’ny karàna kosa no nahatraran’ny mpitandro filaminana an’i Kalanoro sy ny odiny rehefa avy nanao ny asa ratsiny tany Morondava. Fantatra moa fa efa nisy nigadra tao Ambalatavoangy Toamasina ny sasantsany amin’ireto andian-jiolahy ireto. Natolotra ny Fampanoavana omaly ireto olon-dratsy ireto ary nalefa any am-ponja avy hatrany miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
m.L