Nisy miaramila iray avy ao amin’ny FIS nosamborin’ny zandary tao amin’ny hotely nipetrahany.
Mitondra fanazavana mahakasika ilay raharaha fakana an-keriny karana tany Toamasina izay mahavoarohirohy miaramila iray avy ao amin’ny FIS ny Kolonely Lylyson de René, lehiben’ity hery manokana ity. Raha araka ny fanazavany dia: “tsy tokony hanendrikendrika be fahatany ny mpanara-baovao sy ny mpampita vaovao amin’ny maha voarohirohy an’ity manamboninahitra ity. Hatramin’izao mantsy dia mbola eo am-panaovana fanadihadiana ny mpitandro filaminana fa tsy mbola nohelohan’ny Fitsarana akory ity Lieutenant avy ao amin’ny FIS ity, ka noho izany tsy mbola misy afaka milaza fa meloka izy”.
Raha ny fantatra dia handeha hamoaka fiara ao amin’ny seranan-tsambon’I Toamasina no nahatongavan’ity manamboninahitra ity tany Toamasina nefa dia izao izy nosamborin’ny zandary izao. “Nahazo vaovao ny mpitandro filaminana fa nipetraka tao amina hotely iray tao Toamasina ireo jiolahy mpaka an-keriny. Hotely izay nipetrahan’io manam-boninahitra io ihany koa, ka raha vao nahita ry zareo fa nisy mpitandro filaminana avy ao amin’ny FIS tao dia nosamborina avy hatrany, ary nentina nanaovana fanadihadiana. Raha ny tokony ho izy dia anio no hatolotra ny Fampanoavana ny raharaha ka ho hita eo izay fanapahan-kevitry ny Fitsarana. Saingy hatreto aloha dia tsy misy ny vesatra hanenejehana ity miaramilan’ny FIS ity.” Hoy hatrany ny fanazavan’ity manamboninahitra ambony ity.
Raha nisy ny mpitandro filaminana isan’ny nanenjika ny mpanao kidnapping teto amintsika dia ny FIS, ary isan’ny nitarika izany ny kolonely Lylyson. Izan’izany ohatra ny nahatratrarana an’I Solovelo Régis sy ny namany izay jiolahy nikoizana tany Toamasina, ary koa ireo naman’I Fab Mince tany Mahajanga, koa mahagaga ihany raha miaramila avy ao amin’ity hery manokana ity indray no voarohirohy amina raharaha toy izao.
A.R.