Omaly no natolotra ny fampanoavana tao Toliara ireo olona sivy voarohirohy ho niray tsikombakomba sy nandray anjara mivantana tamin’ny fakàna an-keriny ilay teratany indopakistanais mizaka ny zom-pirenena frantsay. Omaly ihany koa dia naiditra am-ponja avokoa izy rehetra, isan’izany ilay voatondro ho mpanelanelana ny jiolahy sy ilay karàna fianakavian’ilay zaza nalaina an-keriny teo am-pivoahana ny sekoliny. Mihazakazaka araka izany ny fikirakirana ity raharaha ity ary tsy niandry ela dia nilamina, satria sady avotra ilay zaza no voasambotra ihany koa ireo mpiantsehatra tao anatin’ny kidnapping. Isan’ny andrandrain’ny maro ankehitriny ny mety ho vokatry ny asan’ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsaràna taorian’ny nanomezan’ny masoivoho frantsay ilay dosie misy ny sary sy anaran’ireo ahian’ireo ho atidoha nikotrika ny kidnapping, izay nisesisesy teto an-drenivohitra sy tany amin’ny faritany roa (Toamasina sy Toliara) hatramin’ny volana desambra lasa teo. Manodidina ny 30 isan-taona ny kidnapping mitranga eto Madagasikara, ka mahakasika ireo teratany karàna mizaka ny zom-pirenena frantsay. Nahatonga ny frantsay nandray andraikitra amin’ny fanadihadiana izany, nidiran’ireo manam-pahaizany an-tsehatra tamin’ny famahana ny olana tany Toliara. Tsy nisy iray andro akory dia tafavoaka ilay zaza, nefa nilaza ny ambasadaoro fa tsy nisy vola naloa na ny kely akory aza. Tokony hahatonga saina ny mpitandro filaminana gasy izany fanambaràna izany…
D.R