Ny alarobia lasa teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireo olona voarohirohy tamin’ny fakàna an-keriny ramatoa iray, nitranga tao amin’ny kaominina Antanetibe Anativolo, ny voalohandohan’ny volana teo. Fantatra, araka ny tatitra avy amin’ny zandarimariam-pirenana fa samy nadoboka am-ponja vonjimaika avokoa izy rehetra, miandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo.
Fikambanan-jiolahy, fakàna sy fitazonana olona an-keriny, fangalàna vola tsy ara-drariny, ary halatra sy fanafihana … ireo no vesatra hanenjehana ireto olona ireto. Sivy ireo olona voarohirohy amin’izany, izay marihana fa ny iray dia vehivavy. Samy nosamborina avokoa ireto farany taorian’ireo hetsika fikarohana sy fanadihadiana lalina nataon’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena, indrindra fa teo anivon’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central, izay miandraikitra iny faritra iny rahateo. Raha ny fanazavana azo dia efa misandrahaka tanteraka ity tambajotran-jiolahy ity satria dia misy ireo nosamborina tany Andriamena, izay efa distrikan’i Tsaratanàna. Raha tsiahivina kely ny zava-nisy, ny alin’ny 9 hifoha 10 novambra teo no nalain’ireo andian-dahalo an-keriny tao an-tokatranony ny renim-pianakaviana iray. Fanafihana, niharo fakàna an-keriny no nitranga tamin’ity tanàna iray tao amin’ny kaominina Antanetibe Anativolo ity. Tamin’io fotoana io ihany dia efa nisy fanarahan-dia mba ho fanavotana ilay vehivavy, izay nataon’ireo zandary tao an-toerana, nampian’ny avy aty amin’ny vondron-tobim-paritra. Ny ampitson’io dia nisy ny fifandonana mahery vaika teo amin’ireo mpaka an-keriny sy ireo zandary tao amin’ny kaominina Androvakely, distrika Anjozorobe. Avotra soa aman-tsara teo ilay ramatoa. Nisy olon-dratsy sasany voasambotra ary nisy ireo tafaporitsaka. Nanomboka teo ny fikarohana. Nanao sesilany ny fisamborana izay niafara tamin’ireto olona sivy ireto.
Faritra mena hanjakan’ny asan-dahalo any amin’iny distrika Anjozorobe iny, indrindra fa ao amin’ny tapany Andrefana sy Avaratra ao. Hetsika manokana mihitsy no nataon’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana, entina hiadiana an’izany ary azo laziana fa nahitam-bokany tokoa. Maro amin’ireo andian-dahalo mpaka an-keriny tany amin’iny faritra iny mantsy no efa voasambotra sy nadoboka am-ponja tao anatin’ny volana vitsy izay. Tsy vitsy ihany koa ireo olona nalaina an-keriny no tafaverina soa aman-tsara eny anivon’ny fianakaviany.
m.L