- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping tetsy 67ha : Teo am-pivoahana ny sekoly no nalaina an-keriny

Kidnapping tetsy 67ha : Teo am-pivoahana ny sekoly no nalaina an-keriny

Tovovavy iray 17 taona ary mianatra amin’ny sekoly ambony iray etsy 67ha no nisy naka an-keriny. Teo am-pivoahana ny toeram-pianarana izy no nisy nanambana antsy ary natsofoka haingana tao anaty fiara ary naondrika mba tsy hahita na inona na inona. Ny harivan’ny talata teo no nisy izany heloka bevava izany, raha araka ny fanamarinam-baovao natao. Teo dia nentina tao amin’ny trano iray eo amin’ny manodidina ihany izy ary notazomina tao. Rehefa tsy tafody toy ny mahazatra izy dia nanomboka nipenimpenina ny fianakaviany. Inona tokoa no nitranga fa nisy nandefa sariny izay tsy misy akanjo ny tapany ambony tany amin’ny reniny. Tamin’ny kaontiny amin’ny facebook ihany no nandefasana izany. Tsy fanaon’ity tovovavy ity izany ary olom-pady rahateo no nahazo ilay sary mitanjaka. Ny hafatra nanaraka ilay sary no nanamarina tamin’izay fa nisy naka an-keriny izy. Nandrahona ireo olon-dratsy, tamin’ny facebook hatrany io, fa raha tsy manaraka ny toromarika izay omen’izy ireo dia razana sisa no ho hita ary dia horasarasain’izy ireo izany. Nikoropaka ny rehetra teo ary samy nitady ny vahaolana izay azo natao. Tsy hita loatra anefa izay tena hatao satria teknolojia no nampiasain’ny olon-dratsy ary tsy maintsy teknolojia ihany no vahaolana mifandraika amin’izany. Efa nikorontan-tsaina tanteraka ny fianakaviana nanoloana ny zava-nisy no hita tampoka ilay tovovavy omaly maraina. Tafatsoaka tao amin’ilay toerana izy ary naka fiarakaretsaka dia niala haingana teo mba ho any amin’ny fianakaviany. Mbola narefo kely izy no hita ary tsy maintsy nentina haingana tany amin’ny hopitaly mba hitsaboana azy sy hitiliana ny fahasalamany. Nisy ny fitoriana nipetraka teny anivon’ny mpitandro ny filaminana ary nanomboka omaly ihany dia efa nandeha ny fihainoana mba hahafahana mahafantatra tsikelikely ireo tompon’antoka na mivantana na an-kolaka amin’ity raharaha ity.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici