- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping tetsy Ambohidratrimo : Hatolotra ny fampanoavana anio ny tompon’antoka

Kidnapping tetsy Ambohidratrimo : Hatolotra ny fampanoavana anio ny tompon’antoka

Tsy vita omaly ny fanadihadiana nataon’ny zandary, ary dia anio no hatolotra ny fampanoavana i Jimmy. Io farany izay maromaro ny vesatra anenjehana azy. Isan’izany: ny fakàna an-keriny, ny fanolanana, ny fitsoahana ny mpitandro ny filaminana, ny fampiasana fitaovam-piadiana, ny fikasana hanao kolikoly tamin’ny zandary mpanao fanadihadiana sy izay mety hafa tsy voatonona noho ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana. Efa mpamerin-keloka ny lehilahy, ary isan’ny tena nampalaza ratsy azy dia ny nataony tamin’ny taona 2015 ka nitorian’ny mpivarotena marobe azy. Mahakasika herisetra avy amin’ny fandrahonana amin’ny basy izany mba hahafahany manao izay tiany. Vitavita foana teny ny raharaha ary  sazy maivana no azony raha oharina tamin’ny zava-bitany. Teo dia efa nanahy ny maro ny nisian’ny kolikoly. Efa-taona taty aoriana, dia niverina namerin-keloka indray ny raharaha ary tena sahy ny niantso ny zandary ; izay hisambotra sy hanao fanadihadiana ny raharaha ka nampanantena enina tapitrisa ariary mba handaminana ny afera. Tsy nanaiky ny zandary no sady nisambotra ihany no koa nampahafantara ny besinimaro ny fanaon’ilay mpamerin-keloka, dia ny fikasana hampiasa vola izany. Azo heverina arak’izany, fa mitombina ny ahiahy tamin’ny 2015 izay nahamaivana ny sazy azony sy ny nahazoany fahafahana vonjimaika aza, talohan’ny nivoahan’ny didy. Izao kosa, raha ny fijery ny fikirakiran’ny zandary ny raharaha, dia betsaka ny vesatra hitazonana ity rangahy ity, indrindra koa zaza tsy ampy taona no nalainy an-keriny sy naolany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici