Fakàna an-keriny efa ho folo no nitranga tao Toamasina, saingy tamin’ity farany ity vao tena nitazona ny sain’ny maro noho ny antony roa : nisy famonoana ary koa zanaka gasy ihany no nalaina an-keriny. Raha ny vaovao fantatra momba ny kidnapping an’i Arnaud, dia fantatra fa nisy olona iray indray namoahana “avis de recherche”. Jao Rolin na Rôly no anarany ary efa miparitaka eran’ ny biraon’ny mpitandro ny filaminana ny sariny. Ankoatr’izay, dia nivoaka tamin’ny fahanginany ihany koa ny havan’ireo olona hafa izay mbola tsy hita ny zanany nalaina an-keriny. Isan’izany i Alek Owne izay tsy hita hatramin’ny jiona 2014 ka hatramin’izao. Io farany , na efa nisy ampaham-bola nomena ireo olon-dratsy aza dia tsy mbola hita ihany izay nanjavonany hatramin’izao, ary koa na maty na velona. Ankehitriny dia efa nisy ny olona nogadraina rehefa voatonona tao anatin’ny raharaha. Ny manampahefana rehefa miresaka dia io no tena asongadiny, saingy ny isan’ny olona naiditra am-ponja ve no zava-dehibe sa ny fiverenan’ny zaza velona soa aman-tsara sy ny fahatrarana ireo tena atidoha nikotrika? Efa mazava izao fa olona tokony ho nigadra eny Tsiafahy ny iray amin’ireo voasambotra ohatra, dia inona no manakana ny tsy hisamborana izay manampahefana tompon’andraikitra tamin’ny famoahana azy am-ponja, na tamin’ny endrika “MOP” izany na tamin’ny endrika hafa. Efa mazava tanteraka ny fisian’ny “lamosina” izay miaro ireo mpanao ratsy. Saingy tsy mety tonga amin’izany mihitsy ny fiafaran’ny fanadihadiana rehetra izay niainga hatramin’izay…
D.R