- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping Tsaralalàna : Karohin’ny pôlisy i Sôla

Kidnapping Tsaralalàna : Karohin’ny pôlisy i Sôla

Nambara nandritra ny fampiantsoana mpanao gazety, nataon’ny avy ao amin’ny polisim-pirenena misahana ny heloka bevava, omaly tetsy Anosy, ny fikarohana an-dRanaivoson Augustin, na i Sôla. Voalaza ho tompon’antoka tamin’ny fangalàna an-keriny teratany maorisianina, tompon’andraikaitra amina tranombarotra iray etsy Tsaralalàna, nitranga ny alarobia lasa teo. Raha hiverenana kely ny tantara, ity farany, raha handeha hody eny amin’ny trano fonenany, etsy Ambatobe iny no nisy naka an-keriny. Ny fiara nitondra azy no hitan’ny mpitandro filaminana ny alakamisy, ampitson’iny. Araka ny fanazavana nomen’ny avy ao amin’ny pôlisy miandraikitra ity raharaha ity dia mitovy tsy misy valaka tamin’ny fangalàna an-keriny, tompon’andraikitra iray tao amin’ity tranombarotra ity ihany, ny taona 2011, ity tranga ity. Saingy tsy nisy fotsiny ny fangatahana onitra. « Mitovy tanteraka ny fomba nantanterahana ilay fangalàna an-keriny. Samy teny Ambatobe no nitranga, samy nodomina ilay fiara nitondra ilay olona, ary tamin’izany no nangalàna ilay teratany vahiny », hoy ny fanazavana nomen’Atoa Andrianirina Alain Bruno, talen’ny pôlisy judiciaire. Ity olona karohina ity no tompon’antoka tamin’io fangalàna an-keriny niseho ny taona 2011 io. Miahiahy, araka izany ny eo anivon’ny polisy, fa mbola i Sôla hatrany no mety ao ho ambadik’ity fangalàna an-keriny ity ka mahatonga an’io fikarohana io. Hatreto dia mbola tsy fantatra ny toerana na ny mombamomba an’ity teratany maorisianina, nisy naka an-keriny antsoina hoe Rangoojun ity.

Mike L.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser