Iray volana katotra vao navotsotra teo am-pelatanan’ireo jiolahy ny takalon’aina roa fantatra amin’ny anarana hoe: Soamazine sy Rakarabo, izay nalain’ny jiolahy niisa dimy niaraka tamin’ny basy » Kalachnikov, » an-keriny, tao amin’ny tanàna atao hoe: Babangy, fokontany Mahamavo, any amin’ny kaominina ambanivohitra Ambakireny, disitrikan’i Tsaratanàna ny andron’ny Alakamisy faha 12 Septambra taona 2024 teo iny, tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any. Ny asabotsy maraina tokony tamin’ny 02 ora no voalaza fa navotsotr’ireo olon-dratsy ny takalon’aina roa, tao amin’ny toerana antsoina hoe Antsahabe, kaominina ambanivohitra Marotsopoy, any amin’ny disitrikan’Anjozorobe iny, raha nolazain’ireo malaso tamin’i Soamazine sy Rakarabo, kosa fa maty Rakalasoa, naman’ireto farany nalaina an-keriny, niaraka tamin’izy ireo. Ny fampitam-baovao voaray hatrany no nahalalana fa nisy fifanarahana ara-bola ho tambin’ny famotsorana ireo nalain’ny jiolahy an-keriny, saingy tsy nampandrenesina makasika izany ny mpitandro ny filaminana, raha tsy efa votsotra ireo olona roa nalain’ny an-keriny. Nanamafy kosa ny fianakavian-dRakalasoa, efa ela no nanana olana ara-pahasalamana ity farany. Saingy nambaran’ireo jiolahy tamin’ireo takalon’aina roa navotsotra fa maty izy ary tsy fantatr’izy ireo ny toerana nandaozan’ity Ramatoa ity. Nitondra fanazavana teo anatrehan’ny fokonolona sy ny fianakaviany, ary ny mpitandro ny filaminana ireo takalon’aina roa navotsotra nanao hoe efa hatramin’ny alina nisian’ny fankana an-keriny azy ireo no efa tsy nifankahita ireto farany, raha tsy tamin’ny fotoana nanaovana fifampiraharaha hatrany vao nifanena farany. Mitohy hatrany ny fikarohana ataon’ny Zandary manoloana ny zava-nitranga ary hosokafana avy hatrany ny fanadihadiana atao amin’ireo fianakavian’ireo niharam-boina, sady hamarinina hatrany ny feo nahely nataon’ireo malaso na maty na mbola velona Rakalasoa.
Ratantely