Araka ny vaovao marim-pototra, ny alarobia 9 jolay teo no navotsotr’ireo naka an-keriny azy ilay teratany maorisiana,tsy hita nanomboka ny 2 jolay teo. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nisy ny vola naloa tamin’izany. Io vaovoa io ihany no nahafantarana fa toa teo anivon’ny masoivoho maorisiana no nanaovana ny fifampirahararana rehetra. Tsy fantatra mihitsy kosa aloha hatreto ny teti-bidin’ny vola nomena an’ireo jiolahy. Izay loharanom-baovao nanontaniany tsy afaka nilaza izany, ka anisan’izany ny mpitandro filaminana Tombanan’ny rehetra fa tafakatra hatrany amina miliara, vola gasy izany. Teny akaikin’ny toeram-piasany izy no nalain’ireo jiolahy. Avy eo, hita teny akainin’ny trano fonenany Ambatobe ny fiarany izay nitondran’ireo jiolahy azy. Etsy andaniny, vao niseho ny fangalana ity lehilahy ity dia nifandray tsy niato tamin’ny mpitandro filaminana malagasy ny masoivoho maorisiana, mba hanao izay mety amin’ny fitadiavana io nalaina an-keriny io.
r.s.