- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-Divers« Kidnapping » zanaka zandary : Olona dimy hatolotra ny fitsaràna

« Kidnapping » zanaka zandary : Olona dimy hatolotra ny fitsaràna

Tsy teratany vahiny intsony indray mantsy amin’izao no tratran’ny fangalàna an-keriny fa na hatramin’ny tompon-tany aza dia efa hiharan’izay. Ambonin’izay, zazakely no tratran’ity tranga ity ny alatsinainy 04 Aogositra  teo. Raha ny vaovao voaray dia handeha hividy « gouter » no nialàn’ity zazavavy kely fito taona, zanaka mpitandro filaminana, tao an-tokantranony, teny Ambodihasirika, Mahazoarivo. Tsy niverina intsony anefa io zaza io tamin’izay. Araka ny fantatra hatrany dia olona efa nifanerasera tamin’ny fianakaviany ihany io olona ka dia nanaiky nanaraka ity ankizikely ity. Nalefa ny filàzana tamin’ny haino aman-jery isan-tsokajiny avy. Ary tao anatin’izay fotoana izay no nisy niantso ny ray aman-drenin’ity zaza ity, izay nilaza fa naka an-keriny ny zanany ary mitaky onitra 2 tapitrisa Ariary, ary arotsaka amin’ny M’vola io volabe io. Nanome laharana efatra mihitsy izy ireo tamin’izany. Tamin’ny alalan’izay no nifantohan’ny fanadihadiana. Voasambotra teny Mahazoarivo sy Tsarahonena ny roa tamin’izy ireo, izay nanondro ny namany hafa, niparitaka tamin’ny faritra maro teto an-drenivohitra, Mandroseza, Ankatso ary tonga hatrany Moramanga. Ny zoma teo no namotsoran’ireo mpaka an-keriny ireto an’ilay zaza, rehefa hitan’izy ireo fa nahamay ny toe-draharaha. Ity voasambotra teny Ankatso ity, vehivavy, no voalaza fa atidoha nikotrika. Mitotaly dimy ireo olona voarohirohy ka ny roa amin’ireo vehivavy ary ny telo lehilahy. Raha ny fantatra hatrany dia toa efa nanana disadisa tamin’ireo fianakaviana ireto olona voasambotra ireto ary ankevitr’izay no niitaran’ny sain’izy ireo haka an-keriny ity zaza tsy manantsiny ity. Hatolotra ny fampanoavana anio ireto mpaka an-keriny ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser