- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversKilemaina voatosika tao anaty taxibe : Tokony hiakatra Fitsarana omaly ny raharaha...

Kilemaina voatosika tao anaty taxibe : Tokony hiakatra Fitsarana omaly ny raharaha fa nahemotra indray

Azo lazaina fa fahakiviana tanteraka ny nahazo ny mpitory,izay tsy iza fa lehilahy manana kilema ara-batana ka niharan’ny lozam-pifamoivoizana teo Ambohijatovo, raha tonga teny amin’ny Fitsarana Anosy omaly maraina mba hiatrika Fitsarana. Nahemotra amin’ny 11 Febroary indray ny Fitsarana momba io lozam-pifamoivozana nahazo azy io rehefa nangataka izany ny mpisolovavan’ilay orinasam-piantohana miadidy ilay fiara nahavanon-doza taminy. Nahagaga ihany izany satria raha dinihina ny zava-misy dia tsy dia misy idiran’ny orinasa fiantohana loatra angamba ny zava-nitranga tamin’ity lehilahy ity izay tsorina fa mpamao gazety ao amin’ny orinasan-tserasera iray eto Andrenivohitra na dia sembana aza. Raha tsiahivina ny tantara dia fiara mpitatitra ao main’ny zotra 161 no mifanandrina aminy amin’izao raharaha izao. Araka ny fitantarany, niandry bus 161 teo Ambohijatovo (Arrêt eo amin’ny Boky) izy tamin’ny Alatsinaina 22 oktobra 2018 fa handeha hody avy niasa. Maro ny olona niandry teo ka mba isan’ny nisisika teo izy  rehefa naka sisiny amin’ny fijanonana iny ilay fiara. Hitan’ilay resevera izay tao anaty fiara fa sembana eo amin’ny tongotra ranamana ka noraisin’ity voalohany tamin’ny sandriny mba hanampiana azy hiakatra tao anaty fiara. Nandeha tampoka anefa ny fiara ary namonjy ny “fil” ilay hidina ho any Andohan’Analakely iny. Somary notarihin’ilay receveur kely sahabo ho iray metatra na mahery kely teo ity mpanao gazety ity, izany hoe lasa tafiditra any amin’ny faritry ny arabe, araka ny fitantarany.  “Nefa dia navotsiny aho avy  eo  fa ny varavarana no novonjeny nohidina haingana” hoy izy nanazava araky ny fitoriana izay napetrany teo anivon’ny Fitsarana. Maika hitsoaka ilay taxibe 161 iray hafa vao tonga avy aorianany angaha ilay mpamily fa sao tratran’ny “adversaire” no nampitroatra azy tampoka, raha araka ny filazan’ireo olona nanatri-maso. Vokatr’izay, niakarapoka nianjera tamin’ny arabe ity olona sembana ity. Fa ny tena loza dia saika voahitsaky ny fiara iray hafa nisosa tao aorian’io taxibe saika niarahany io, saingy tsara hisatra ity farany ka afaka nijanona tampoka.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici