Miaramila miisa valo miaraka amina 4X4 amin’izao fotoana izao no miandry sady mitrandraka tany iray misy vatosoa « cristal » ao amin’ny toerana iray ao amin’ny kaominin’i Kiranomena. Araka ny fanazavan’dRtoa R.F izay milaza ho tompon’io toeram-pitrandrahana io dia tompon’andraikitra ambony iray ao amin’ny Faritra Bongolava mihitsy no miditra an-tsehatra amin’ity fibodoana tanin’olona ity. Efa hatramin’ny taona 2010, hoy izy, no nahazoanay fahazoan-dàlana arada-làna hitrandraka harena ankibon’ny tany ao amin’io tany io, ary nilamina foana ny asa nataonay tao. Iray volana lasa anefa dia tonga ny olona hafa milaza ho tompony, kanefa dia tsy manana antontan-taratasy iray akory manamarina izany. Araka ny fanazan’dRoa R.F ihany dia mandrangaranga fa mahalala olona akaiky ny Filoham-pirenena ireto mpibodo tany ireto ary milaza ihany koa fa mahafantatra olona ambony maro any amin’ny Faritra.
R.Edmond