- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversKitrotro eto Toamasina : Tafakatra 17 ireo zaza maty, nanolotra fanampiana ny depiote...

Kitrotro eto Toamasina : Tafakatra 17 ireo zaza maty, nanolotra fanampiana ny depiote Ndahimananjara Johanita

Raha nisy fihenany ny isan’ny zaza sy ankizy nanatona toeram-pitsaboana noho ny valan’aretina kitrotro ny herinandro nivalona iny, dia nisy fitomboany indray izany ny faran’ny herinandro sy ny fiandohan’ny herindro teo, raha ny fanazavana azo. Raha nanodidina ny 10 eo ny zaza tonga nanatona hopitaly ny herinandro lasa iny, dia tafakatra 22 izany tato ho ato na ny 39 amin’ireo no voatery naiditra hopitaly izao manaraka fitsaboana noho ny fihombon’ilay aretina kitrotro tamin’izay zaza sy ankizy voany. Tafakatra 17 ny zaza sy ankizy matin’ny kitrotro ankehitriny, araka ny tarehimarika farany, na izany efa manao ny ezaka rehetra ny mpitsabo sy ireo malala-tànana amin’ny fanampiana ara-panafody sy  fitaovana entina handringanana izao valan’aretina kitrotro izao. Efa maro noho izany ireo manampy amin’ny fanafody ny hopitalin-jaza noho ity aretina kitrotro ity eto Toamasina. Namita ny adidiny tamin’izany koa omaly maraina ny depiote Ndahimananjara Johanita sy ireo ekipa ao anatin’ny fikambanana FIVOY misy azy, ka nanolotra fanafody sy fitaovana entina hanampiana ireo marary sy ireo mpitsabo manao ny asany mikarakara ireo zaza sy ankizy marary tonga ao amin’izy ireo. Mila miara-mientana ny tsirairay amin’ny fanaovana ny vaksiny, fa izay ihany no fomba tena mahomby handresena ny valan’aretina kitrotro, hoy ny depiote Ndahimananjara Johanita, satria maimaimpoana no anomezan’ny fanjakana ny vaksiny raha ohatra ka tokony hovidina 7.000 ariary ny daozy iray momba azy io raha eny amin’ireo hopitaly sy toeram-pitsaboana tsy miankina amin’ny fanjakana; nefa ilaina hatrany ny famerenana azy io manomboka 09 volana hatramin’ny 09 taonan’ny zaza. Mariky ny fandraisan’ny ray aman-dreny ny ady atao amin’ny valan’aretina kitrotro kosa ny fahatongavan’izy ireo manao vaksiny ny zanany 09 volana hatramin’ny 09 taona ataon’ny fanjakana izao, hoy kosa ny Dr Hassanaly Patrick misahana ny fahasalaman’ny Distrikan’i Toamasina I, satria arakaraka ny fahavitrihan’ny ray aman-dreniny manatona ireo toeram-panaovam-baksiny misy ihany no fomba iray handringanana izany valan’aretina kitrotro izany tsy ho ela eto amintsika.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici