Omaly no nivoaka ny didy teo anivon’ny fitsarana ambony, nanafoana ny didy teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany izay raha tsiahivina dia niampanga herintaona an’i Kohen Rivolala. Nampiakatra fitsarana ambony ny mpiaro azy ka fito volana taty aoriana no nivoaka ny didy. Raha hiverenana dia tamin’ny tapaky ny volana novambra tamin’ny taon-dasa teo no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka i Kohen Rivolala rehefa nolazain’ny olona fa nampiditra devoly ny fidirany tao Miandrivazo. Nisy tanora maromaro nihetsika ambalavelona tao an-tanàna ary notondroin’ny havan’izy ireo fa ity mpitarika fivavahana hafakely ity no tompon’antoka tamin’izany. Nosamborin’ny olona ary saika niharan’ny fitsaram-bahoaka raha tsy tonga ara-potoana ny mpitandro ny filaminana tao an-toerana. Rehefa notazomina vonjimaika tao amin’ny biraon’ny pôlisy izy dia mbola nokasain’ny olona havoaka sy hatao fitsaram-bahoaka hatrany. Voatery nafindra tany amin’ny zandary izay nampiana an’isa mba ho fiarovana ny ainy. Nangatahin’ny olona ny hanapahana ny volony ary notontosaina tokoa izany. Nalefa teny amin’ny renirano nony avy eo io volo io, araka ny fangatahan’ny olona. Nidoboka am-ponja taorian’izay ary tsy nekena mihitsy ny fangatahany fahafahana vonjimaika. Fitazomana “ody gasy” sy fisolokiana no antony niampangana azy. Nolaviny ny didy ary nampiakatra fitsaràna ambony ny tenany dia io nahazo fahafahana io rehefa nofoanana ny didy teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany.
D.R