Raha ny alahady 11 jolay teo ny tena fankalazana ny andro afrikana ho an’ny ady atao amin’ny kolikoly, dia tsy maintsy nalamina ka natao ny talata 13 jolay izay teto Toamasina, izay natao tao amin’ny “Masova 501” eo amin’ny araben’ny fahaleovantena. “Famerenana ireo harena azo avy amin’ny tsy rariny, kitro hifaharan’ny ady atao amin’ny kolikoly”, ny lohahevitra noraisin’ny birao mahaleotena amin’ny ady amin’ny kolokoly.
Nandritra izany no nisian’ireo fanazavana nataon’ireo telo mianadahy nandray anjara nahita mpitsara avy amin’ny fitsarana ambony Toamasina, sy ny fampiavanam-pirenena, ary ny teo anivon’ny rafitra manokana miady amin’ny kolikoly Toamasina. Tao anatin’ny fanazavana nentin’izy ireo, nahitana ny tale iraisam-paritry ny Bianco Toamasina Atoa Razakamanantsoa Gaby Nestor, no nahalalana fa nahatratra 197 miliara ariary ny vola very voahodinkodina tao anatin’ny taona 2014 hatramin’ny taona 2019, ka efa eo am-pelatanan’ny fitsarana avokoa ny antontan-taratasin’ireo olona voarohirohy tamin’izany. Nambarany ihany koa fa manodidina ny 20 miliara ariary ny vola nanaovana kolikoly tao anatin’ny taona 2019 teto Madagasikara; ary nahatratra 1.500 hatramin’ny 2.000 miliara dolara (FMI) isan-taona izany vola very izay eto ambonin’ny tany ny taona 2016. Na izany aza dia nisy ihany ny vokatra azo tao anatin’ny ady natao mba hamerenana ireo harena azo amin’ny tsy ara-drariny ireo, ka raha 5 miliara dolara izany ny taona 1999 hatramin’ny 2014, dia nihakatra 423,5 miliara dolara izany (OCDE) ny taona 2006 hatramin’ny 2014. Noho ireo fifanarahana iraisam-pirenena maro nosoniavina sy neken’ny fanjakana Malagasy dia nanova paikady entina hiadiana amin’ny kolikoly ity ny firenena Malagasy ny taona 2015, ka isan’izany ny didy aman-dalana famerenana ireo harena azo amin’ny tsy rariny sy ara-dalana, sy ny fanagiazana azy ireny alohan’ny fivohan’ny didy manameloka na tsia ireo voarohirohy amin’ny kolikoly.
Anakotra izany hoy ny tale iraisam-paritry ny Bianco Toamasina Atoa Razakamanantsoa Gaby Nestor, izay sady talen’ny fanadiadiana ao Antananarivo koa, dia mila sahy mandà ny kolikoly aloha ny Malagasy, ary avy eo sahy ihany koa mitoroka izany kolikoly izany. Izay ihany mantsy no isany hahafahana miady amin’ity fanetribe eto ambonin’ny tany ity; satria tsy mitsahatra midina isan-taona ny naotin’ny Madagasikara amin’ity kolikoly ity.
Malala Didier