Notontosaina ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny Foibe fitsarana fiarakodia Alarobia, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fiofanana mikasika ny ady atao amin’ny kolikoly. Izany dia ho fanohizana ny fiaraha-miasa efa nisy teo amin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikolysy ny DGSR ; izay efa nosoniavina tamin’ny taona 2011. Hahazo tombony manokana amin’ity fiofanana ity, raha ny fanazavana azo, ireo mpitsara fiarakodia rehetra manerana ny Nosy.
Nanamafy Andriamatoa Tale jeneraly DGSR tamin’ny fandraisam-pitenenana nataony nandritra ny fanokafana ity fiofanana ity, fa efa tafapetraka ny CAC (Cellule Anti-Corruption) eto anivon’ity foibe ity. « Tsy ady intsony no atao, fa fialana tanteraka amin’izany kolikoly izany » hoy hatrany izy. Tetsy andanin’izay kosa, dia nanambara Atoa Tale jeneralin’ny BIANCO, fa maro ireo ezaka efa vita kanefa mbola betsaka ireo tokony hotratrarina. Raha ny fampitam-baovao moa, dia zavatra maro no hodinihana ao anatin’izany fanofanana izany ; izay hiompana amin’ny fampahafantarana ny lalàna, ny toe-tsaina sy ny fomba fitondran-tenan’ireo mpiofana ary fifampizarana traikefa. Misy ny vokatra andrasana amin’ireto mpandray anjara tamin’ny fiofanana ireto, aorian’izao mba hamerenana indray ny fitokian’ny mpanjifa an’ity orinasa ity, hoy hatrany ny vaovao.
nangonin’i m.L