Omaly maraina no tonga teny amin’ny trano fonenany ny mpitandro ny filaminana. Nanao fisavana indray, araka ny didin’ny fitsarana. Vao nipaika ny ora voalohany hahafahana manantontosa izany didy izany, izany hoe tokony ho tamin’ny dimy ora maraina, dia efa nofohazina ny fianakavian’i Kolonely Lylison. Mijanona ho tsiambaratelon’ny fanadihadiana kosa ny valin’ny fisavana. Fanindroany izay no nisy ny fisavana tao amin’ny tranon’io manamboninahitry ny zandary izay lasa senatera io. Andro aman’alina ihany koa no mijanona eo amin’ny manodidina an’Andohanimandroseza, tanàna misy ilay trano, ny fiaran’ny mpitandro ny filaminana. Hatreto, na dia efa nisy aza ny didy fampisamborana dia mbola tsy hita popoka izay misy ny Kolonely Lylison. Ao no milaza fa ao an-tranony ihany izy, ao koa ny feo mandeha fa efa any ivelany izy nitsoaka. Izy tenany indray dia tany Mahajanga ny toerana voalaza fa hiaingan’ny fampitam-baovaony sy nahitàna azy farany. Tena karohina ve ity manamboninahitra ity rehefa nisy ny didy fampisamborana, sa kosa fomba iray entin’ny fitondràna hanehoana ny tsy fankasitrahana azy fotsiny ihany izany? Hatreto mantsy dia toa toa nijanona ho didy fotsiny ihany ilay fikarohana fa tsy natao laharam-pahamehana. Fantatra rahateo fa olon’ny zandary izy ary ny zandary ihany no manao ny fanadihadiana momba azy. Mazava fa tsy hifampisambotra izany io vondrona io noho ny resaka pôlitika…
D.R