- Publicité -
vendredi, décembre 12, 2025
AccueilFaits-DiversKopikolé Rajoelina : Nesorina tamin'ny asany noho ny tarehy mitovy

Kopikolé Rajoelina : Nesorina tamin’ny asany noho ny tarehy mitovy

Ny fitovian’endrika amin’ny Filoha teo aloha no antony nanalàna azy tamin’ny asany. Natsahatra tsy ho lefitra fahatelon’ny ben’ny tanàna ao ambonivohitr’i Morondava i Feterson Andriantsitohaina. Io farany izay nampitolagaga ny maro ny endriny, misy itovizana be amin’i Andry Rajoelina. Nentiny nanao fifaninanana kopikolé teto an-drenivohitra aza izany ary nahatafiakatra azy tany amin’ny dingana famaranana. Nisy fotoana nohindrahindraina be ny lehilahy ary nentina amin’ny fety be olona. Nasaina nikabary sy manao fihetsiky ny Filoha teo aloha. Ankehitriny kosa anefa, noho ny zava-nitranga rehetra teto amin’ny firenena, dia toa lasa olana ho azy izany fitoviana izany. Very hatramin’ny asany rehefa nilatsaka ny fanapahan-kevitra momba izany. Inona moa izany ny helok’ilay lehilahy? Misy hadisoana araka asa ve raha toa ka nitovy tamin-dRajoelina ny tarehiny? Ho an’ny mpanara-baobao sasany dia toa lasa mivaona tanteraka ilay fanovàna raha entina mankahala olona toy izao, indrindra koa olona tsy misy hidiran’ny politika. Nahoraka haingana be teny amin’ny tambajotra sosialy ity fanalàna an’i Feterson Andriantsitohaina tamin’ny asany ity. Sady efa mitovy tarehy amin’ny filoha teo aloha izy no mbola mitovy anarana amin’ny minisitra iray teo aloha koa. Haingana be toraka izany koa ny fandokoana azy ho toy ny olon’ny volomboasary. Saingy nofidiny ve ny hitovy tarehy na hitovy anarana?  Izay ihany dia ampy manazava ny tsy tokony handehanan’ny fanovàna any amin’ny làlana fanimbana olona amin’ny tsy antony…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici