- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversKorontana tamin’ny “tsena mora” : Tovolahy nilahatra “vary mora” voatsatoka antsy

Korontana tamin’ny “tsena mora” : Tovolahy nilahatra “vary mora” voatsatoka antsy

Savoritaka hatrany ny filaharana ny tsena mora isaky ny tonga ny entana. Ny tena hiadiana amin’izany dia ireo “menaka mora”  ka mahatonga ny filaharanam-be. Mandritra ny fisian’ny entana ihany koa, amin’ny 4 ora maraina dia efa manomboka ny fandaharana ny harona sy ny tavoahangy eny amin’ny fokontany amin’izany; misy ireo miseho ho mahitahita mametraka vola amin’ireo mpiambina eny amin’ny biraom-pokontany dia mahazo laharana alohaloha, ao kosa ireo manome vola ireo mpivarotra eny amin’ny tsena mora dia mahazo ihany na tsy milahatra aza. Niseho ary ny voka-dratsin’izany ny sabotsy teo ao amin’ilay tsena mora tao Ambohijafy atsimo tokony tamin’ny 9ora. Nifampihantsy ady ireto tovolahy roa ireto ary avy namoaka ny tao am-bavany sy ny tao am-pony rehetra mikasika ny filaharan’ny harona sy ny tavoahangy teo. Raikitra ny ady totohondry nandritra izany ka ireo vahoaka teo ihany no nampisaraka izany. Vita ny ady aloha teo, saingy lasa nody naka antsy ny iray tamin’izy roa lahy, ka ny fiverenany taorian’izany tsy nisy alaharo fa tonga dia tsindrona antsy no nitranga, ka voa teo amin’ny hatony sy ny tratrany ny tovolahy iray tamin’izy ireo. Nifantsitsitra ny rà nandritra izany saingy nanao tari-dositra kosa ilay nanidrona antsy taorian’izay, raha variana nitondra ilay naratra teny amin’ny hôopitaly manaram-penitra Morafeno ny fokonolona. Tena mbola atahorana ny ain’ity voatsatoka antsy satria tamin’ny faritry ny tendany no voatsatoka. Tsy mbola misy tohiny hatreto ny raharaha fa mbola mitsabo ny fianakavian’ny maratra izao, nilaza kosa izy ireo fa tsy hanaiky mora izao raharaha izao fa hampakatra izany eny amin’ny fitsarana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici