Taorian’ny sakoroka nitrangana korontana, ka voatery nandraisan’ireo mpitandro filaminana ny raharaha tany Port-Bergé, ny talata lasa teo dia fantatra izao fa nisy ireo voasambotra, olona miisa efatra ary efa natolotra ny Famponoavana omaly ihany. Araka ny voalazan’ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia nahazo fahafahana vonjimaika avy amin’ny Fitsaràna anefa izy efatra ireo. Angamba mba hisian’ny fitohizan’ny filaminana any an-toerana izay no antony nanapahan’ny fitsarana izay didy izay, raha ny fanazavana azo. Efa milamina tanteraka mantsy ny tanàna amin’izao, na dia mbola miantrana hatrany aza ireo mpitandro filaminana. Raha tsiahivina ny niandohan’ny tranga dia nisy ny fitakiana ny hamoahana ireo olona dimy, voarohirohy tamin’ny fitsaram-bahoaka, notarihina olom-boafidy iray tany an-toerana ny talata lasa teo. Nivadika ho korontana izany ka tsy maintsy nandray ny andraikiny ny mpitandro filaminana. Nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso, ary velona ny fisamborana. Hatreto aloha raha ny fampitam-baovao hatrany dia mbola voatazona any am-ponja ireo olona notakian’ny vahoaka hoafahana ireo ary miandry ny fotoam-pitsaràna azy soa aman-tsara.
m.L