- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversKorontana tao Mahajanga : « Atsangano ny komitin’ny fanadihadiana »

Korontana tao Mahajanga : « Atsangano ny komitin’ny fanadihadiana »

Nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly ny olo-ben’ny faritry Boeny, nanazava ny heviny momba ny korontana tao Mahajanga na koa momba ny fitifirana mpianatra. « Mangataka izahay ny mba hananganana komity tsy miankina momba ny fanadihadiana an’iny raharaha iny. Ampidirina ao anatiny ny ray aman-drenin’ny mpianatra, ny olo-ben’ny faritra, ny solontenan’ny mpianatra ary koa izay mety ho mpandray anjara voakasika rehetra, hoy ny Pasera Jacob Tehindrazanarivelo, mpitondra tenin’ireo olo-ben’ny faritra. » Amin’izy ireo, raha nisy ny fanalana ny Filohan’ny Oniversite tany an-toerana, tokony mba ho torak’izany ihany koa ny sazy ho an’ny mpitandro ny filaminana. Natao omaly ny fampisehoana ireo raki-tsarimihetsika, izay nitantara ny fandehan-javatra marina tany Mahajanga. Teo ihany koa ny fitaterana ny feon’ireo olona voakasiky ny raharaha : mpianatra, ray aman-drenin’ny mpianatra, ny manampahefana. Nentin’ny olo-ben’ny faritra –  izay mivondrona mba tsy hivadihan’ity raharaha ity ho sarotsarotra kokoa –  izany mba hanehoana ny hetahetan’ny ny tsirairay any Mahajanga, ka avy amin’ny alàlan’izany ho hitadiavana vahaolana. « Nilamindamin-dratsy ao Mahajanga, satria nisy orana tsy an-kijanona tato ho ato. Ny natiora no nandamina kely ny raharaha, saingy any am-pon’ny tsirairay any dia mbola miredareda ny vain’afo. Izay indrindra no mahatonga anay mangataka ny fitsanganan’ity komitin’ny fanadihadiana ity” hoy hatrany ny Pastera Jacob Tehindrazanarivelo.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser