- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversKrismasy-Toamasina : Feno hipoka ireo trano fiangonanana

Krismasy-Toamasina : Feno hipoka ireo trano fiangonanana

Ny sabotsy nankalazana ny adron’ny krismasy dia feno hipoka avokoa ireo trano fiangonana teto Toamasina, indrindra ireo mankalaza ny andron’ny Noely. Maro tamin’ireo trano fiangonana no nisafidy ny hanao betemy ireo zanany, isan’izany ny fiangonana Ekar Mb Terezy Salazamay sy ny Ekar Sainte Croix Analakininina; Anjatony teo izy irao no nandalo tamin’izany sakrameta ny “Batemy” izany. Nilamina ny fandehan’izany fankalazana izany, satria niezaka ny nitsitsy ny eo am-pelan-tanany ireo ray aman-dreny sy ny mpiantoka ny zaza natao Batemy. Saika ny mitatao vovonana avokoa vao nifarana ny fotoam-pivavahana nandritra izany, satria efa tamin’ny 09ora maraina avokoa no nanomboka izany. Ankilan’izany dia samy feno hipoka koa ny trano fiangonana ny alin’ny zoma nifoha ny sabotsy teo, izay nentina nankalazana ny nahaterahan’ny tompo. Nanao ezaka ny mpitandro filaminana nameno ireny trano fiangonana ireny, isorohana ny halatra samy hafa sy fanararaotana ireo variana mivavaka. Toraka izany koa ny sabotsy nankalazana ny andron’ny Noely teto Toamasina. Vokatra izany dia tsy nisy loatra ny tranga na halatra na lozam-pifamoivoizana nitranga rah any hitanay nandritra izany. Ankoatra izany dia niasa mafy koa ireo “groupe d’intervention” an’ireo mpitandro ny filaminana, izay nilaza fa tsy hitsitsy amin’izay manakotaba sy manakorontana ny fetim-bahoaka.

Malala Didier  

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici