Isan-taona dia manamarika ny herinandrom-bokany ny Komitin’ny Fiangonana Manambatra Fanomezam-pahasoavana (KFMFP) ao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena. Anio hariva 13 febroary 2014 manomboka amin’ny 6ora hariva dia hovoaboasana ny hoe “Kristiana mitantana olona : inona no fenitra? Hatraiza ny fandeferana ?”, izay andraisan-dRamatoa Rakotonarivo Olivia, Talen’ny “Centre de Formation des Ressources Humaines” sy Andriamatoa Rakotoarivony Hubert, Talen’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy anjara. Fotoana iray hahafahana mahalala bebe kokoa ny amin’ny fomba hiatrehan’ny kristiana ny fitantanana olona amin’izao vaninandro izao na eny anivon’ny fiangonana na izany amin’ny sehatra ivelan’ny fiangonana. Koa asaina manokana amin’izany ireo zanaky ny fiangonana mitantana orinasa na fikambanana na ireo mpiomana ho mpitantana.
Articles qui pourraient vous intéresser