Miha-mitombo isa hatrany ireo namoy ny ainy, vokatry ny fandalovan’ilay andro ratsy teo amintsika iny. Raha saika tany amin’iny faritra avokoa no ankamaroan’ireo olona maty, dia fantatra izao fa nisy iray teo an-drenivohitra. Omaly maraina, trano iray no nirodana teny amin’iny faritra La Haute iny, ao amin’ny fokontany Andohamandry. Telo mianaka izy ireo no tao amin’ity trano nirodana ity. Ny iray tamin’izy ireo no maty tsy tra-drano fa, avotra soa aman-tsara kosa ny roa. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any no nisehoan’ny loza, raha ny fanazavana azo. Nikija indray tokoa mantsy ny orana afak’omaly hariva ary nitohy mandra-maraina izany, na dia efa velom-bolo avokoa aza ny rehetra ny antoandro fa nihiratra ingahibe masoandro. Ny fiovaovan’ny toetr’andro tampoka toy izany anefa no tena tsy zakan’ireo trano somary malemy ka mahatonga ny loza. Mety ho izany no nihatra tamin’ity trano nisy azy telo mianaka ity. Raha vantany vao niseho moa ny loza dia niera-nientana avy hatrany ireo fokonolona nanavotra ireto niharan-doza ireto. Tonga teny an-toerana ihany koa ny mpamonjy voina nanao ny asany. Antony nahavoavonjy ireo olona roa ireo. Voatery nosokirina tao kosa ny vatana mangatsiakan’ilay olona iray namoy ny ainy. Mila mitandrina tokoa ny tsirairay amin’izao vanin’andro izao. Ary miantso ny tompon’andraikitra avy hatrany raha misy zavatra ahiahiana, trano mety hirodana na tany mety hihotsaka hialàna amin’ny trangan-javatra toa izao.
m.L