- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversLa Réunion Kely : Faritra fieren’ny jiolahy, 15 voasambotra

La Réunion Kely : Faritra fieren’ny jiolahy, 15 voasambotra

Vokatra goavana. Andian-jiolahy mpamaky trano sy mpanao fanafihana mitam-piadiana no ravan’ny zandary avy eo anivon’ny vondron-tobim-paritra « Tana Ville » omaly, tetsy La Réunion Kely. Olona 16 no tra-tehaka niaraka tamin’ny karazana fitaovam-piadiana, entana halatra ary rongony.

Ny zava-nisy. Ny alin’ny talata lasa teo dia nisy fanafihana mitam-piadiana teny amin’iny kaominina Bongatsara sy kaominina Tsiafahy iny. Very tamin’izany, raha ny fanazavana azo avy tamin’ny kaomandin’ity vondron-tobim-paritra ity ny entana isan-karazany lafo vidy. Nidina teny an-toerana tamin’io fotoana io ihany ireo zandary ary nisy ny fifanenjehana. Lehilahy iray no voasambotra tamin’izay fotoana, izay isan’ireo nandray anjara. Nentina natao famotorana avy hatrany ity farany ary tamin’izany no nanoroany ireo namany, tetsy La Réunion kely. Omaly vao maraim-be dia nanao be midina avy hatrany teny an-toerana ny zandary. Tra-tehaka tsy afa-niala intsony ireo olon-dratsy, izay ny sasany mbola teo am-panitrihana ireo entana halatra. Mitotaly eo amin’ny 15 lahy teo ireo voasambotra teny, raha ny fanazavana azo. Marihina fa saika ny ankabeazan’ireto olona voasambotra dia saika efa mpamerin-keloka sy efa nifonja avokoa. Misy ireo efa teny Antanimora ary misy ny teny Tsiafahy. Ny sasany ihany koa dia voamarina, hoy ny fampitam-baovao, fa anisan’ireo jiolahy nandray anjara tamin’ilay fanafihana nitam-piadiana teny amin’iny faritra Ambohitrimanjaka iny, ny 25 janoary lasa teo, izay nahafatesana jiolahy roa.

Tamin’ny fisavàna ireo trano teny an-toerana moa no nahitàn’ireto mpitandro filaminana fitaovana maromaro fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny, niaraka tamin’ny basy poleta anankiray sy zava-maranitra marobe. Ankoatr’ireo entana halatra, izay efa nivangongo teny an-toerana, dia fantatra fa mbola nahitàna rongony maina tapa-gony ihany koa tao. Ny sasany amin’izy ireo dia sady mpanao fanafihana no mpanaparitaka rongony ihany koa. Hatramin’izay tokoa moa no efa malaza ratsy sy re siosio ho fivarotana ireo entana halatra, avy amin’ny vaky trano na fanafihana na  fanendahana  eny amin’iny faritra iny, saingy izao vao hita porofo tanteraka izany. Mbola eo am-panaovana famotorana tanteraka moa ireo tompon’andraikitra ary heverina fa mbola hitohy ny fisamborana ho an’ireo rantsa-mangaikan’ireo olon-dratsy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici