- Publicité -
lundi, juillet 21, 2025
AccueilFaits-DiversLa Réunion kely : Tra-boina 730 isa nafindra toerana

La Réunion kely : Tra-boina 730 isa nafindra toerana

Adim-pamataranandro telo nilatsahan’ny orana omaly dia efa niakatra sahady ny rano teny amin’ny faritra iva teto an-drenivohitra. Ny tena isan’ny betsaka tra-boina vokatry ny rotsak’orana voalohany nentin’ny rivodoza Enawo dia ny tetsy La Réunion kely. Omaly tokony ho tamin’ny dimy ora hariva nandalovana teny an-toerana dia efa tafakatra manodidina ny 700 ny isan’ny olona tsy nanan-kialofana tampoka ka lasa tra-boina. Nafindra ao amin’ny efitrano malalaky ny ANS Ampefiloha izy ireo mba hiarovana ny ainy sy ny fianakaviany. Raha ny fantatra dia tsy nitsaha-nitombo hatrany izany tarehimarika izany, satria mbola maro ireo olona niala teo an-toerana fotsiny aloha dia
nitady fialofana. Ny vaovao farany azo no nahafantarana fa niisa 730 ireo tra-boina. Rehefa nandre ny fisian’ny toerana azo ipetrahana vonjimaika vao namonjy tetsy amin’ny ANS. Isan’ny hita mivantana teny amin’ny arabe koa ny fisian’ireo afisy lehibe fasiana dokam-barotra lavo tanteraka. Toy ny tetsy Anosy, akaikin’ny fiantsonan’ny bus. Ny lakandranon’Andriantany dia tsikaritra omaly fa efa niakatra tanteraka ny rano tao anatiny ary nanomboka nivoaka ny alina noho ny rotsak’orana nentin’i Enawo, rivodoza izay voasokajy ho isan’ny mafy indrindra teto amin’ny nosy tao anatin’ny folo taona nifanesy. Tetsy Ankorondrano-Andranomahery koa dia miisa 265 no nafindra tao amin’ny biraon’ny fokontany rehefa tra-boina. Nangina tanteraka teny amin’ny arabe ary na ny fifamoivoizana aza dia zara raha nisy fiara nifanaretsaka. Saika ny fiara mpitondra mpanao gazety nanao ny asany no hita nifamezivezy. Ny olona kosa dia nanaraka antsakany sy andavany ny toromarika avy amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro, izay nivoatra tsy an-kiato, isaky ny ora iray. Tsy nisy nivoaka ny olona ary na ny mpivarotra aza dia ankavitsiana no nivoha. Mahakasika
ny asa teny amin’ny tontolo tsy miankina indray dia nizara tanteraka ny zava-nitranga omaly. Tao ny orinasa nanapa-kevitra ny nampiasa nandritra ny tapak’andro maraina ny olony. Tao koa ireo izay tsy nampiakatra mihitsy ny mpiasa omaly tontolo. Omaly taorian’ny fanambaran’ny Praiminisitra ny amin’ny tsy tokony hisian’ny olona miasa na koa mivoaka ny trano, vao samy naka ny fanapahan-kevitra nety taminy ireo mpampiasa. Isan’ny fanamarihana tsara avy amin’ny olona maro ny fizaran’ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr’andro ny fivoaran’ny rivodoza Enawo. Na tamin’ny tambajotra sosialy izany na tamin’ny fidirana an-tsehatra tamin’ny radio. Izay rahateo no isan’ny nahafahan’ny olona niomana sy nandray ny fanapahan-kevitra tsy hivoaboaka intsony. Amin’ny lafiny serasera dia maro no nahita fa nisy fivoarana ny météo. Na teo aza anefa izany dia nisy ihany ny tsy nahazo ny antony hoe omaly vao nosokajiana ho faritra mena teto Antananarivo, satria efa fantatra dieny mialoha ny lalan’ilay rivodoza sy ny vinavinan’ny herin’ny rivotra sy tafio-drivotra
nentiny. Isan’ny nampiferinaina ny mpanara-baovaoa, indrindra ireo izay mampiasa ny tambajotra sosialy, ny fisian’ny andro ratsy iray hafa koa izay mitondra ny anarana “Fernando”. Mitovitovy amin’i Enawo ihany ny halehibeny raha araka ny sary hita tamin’ny zana-bolana ka niparitaka tamin’ny tambajotra. Mbola an’anarivony kilaometatra any atsinanan’ny oseana Indiana no misy azy, saingy ny lalany dia mitovy tanteraka tamin’i Enawo. Asa hanao ahoana indray…
D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici