- Publicité -
jeudi, juillet 24, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLa Réunion : Mivonona ny hidina eto amintsika ny mpamonjy voina

La Réunion : Mivonona ny hidina eto amintsika ny mpamonjy voina

Fitaovana efatra taonina eo ho eo ary mpamonjy voina  70. Ireo no efa vonona ao amin’ny nosy rahavavy La Réunion nanomboka, omaly. Miandry ny fanapahan-kevitry ny fitondrana fotsiny izy ireo sisa dia hidina eto amin’ny Nosy, izany dia araky ny fivoaran’ny fahavoazana nateraky rivodoza Enawo izay niteraka traboina aman’arivony. Ny ministeran’ny atitany  frantsay no nanome baiko  nanangonana haingana ireo fitaovana sy ny fampiomanana ireo mpamonjy voina. Misy ao anatin’ireo ny manam-pahaizana amin’ny famonjena olona ao anaty trano rava  sy anaty rano. Ilaina ny fahatongavan’ireo mpamonjy voina ireo, satria vao ny antsasaky ny Nosy fotsiny no nandalovan’ny rivodoza, dia efa tafakatra aman’arivony ny olona traboina ary enina ny namoy ny ainy. Mbola nitohy nianatsimo izany ary ahiana mbola ho maro koa ny fahavoazana entiny.

D.R

Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici