- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversLa Reunion : Voasazy higadra roa taona ilay saika nanolana

La Reunion : Voasazy higadra roa taona ilay saika nanolana

Nivoaka omaly ny didim-pitsarana nahakasika ilay raharaha mpivarotena Malagasy nisy saika hanolana  tatsy La Reunion ny herinandro lasa iny. Gadra roa taona no azon’ilay Dionysianina voampanga. Ny 9 janoary lasa teo dia tovovavy Malagasy mpivarotena iray no norahonana tovolahy iray avy any Dionysie rehefa tsy nety niray ara-nofo taminy. Nametraka fitoriana tany amin’ny manam-pahefana avy hatrany ilay tovovavy taorinan’ity tranga ity. Rehefa nandeha ny famotorana dia samy nanana ny filazany ny andaniny sy ny ankilany. Ilay tovovavy dia nanambara fa noteren’ity lehilahy hiray ara-nofo na dia tsy nifanaraka akory aza izy ireo. Raha araka ny filazany teo anoloan’ny mpitsara ihany koa dia nampiasa antsy ity tovolahy tamin’izany.  Namaly avy hatrany ilay voampanga fa efa vita fifanarahana ny zavatra rehetra fa tsy nisy fifanerena izany. Manoloana izany dia nilaza ilay tovovavy fa matahotra ny amin’ny ainy ka tokony homena ny sazy enjana ilay nandrahoana. Tsy nahazo rariny teo anoloan’ny fitsarana anefa ilay voampanga ka voasazy higadra roa: sazy mihantona sy sazy mihatra. Tany Saint-Jacques, toerana malaza amin’ny fampanofan-tena no niseho ity tantara ity.

Kanto R. (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici