- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-Divers«La Soupe de l’Est» Anjoma : Notafihan’ny andian-jiolahy efatra nitondra PA, voaroba...

«La Soupe de l’Est» Anjoma : Notafihan’ny andian-jiolahy efatra nitondra PA, voaroba hatramin’ireo mpanjifa

Ny sabotsin’ny paska teo tokony ho tamin’ny 09ora alina, ao anatin’ny mpanfija betsaka mihinana lasopy sy mirevy iny indrindra, no nisy ireto andian-jiolahy efa-dahy nisaron-tava nitondra moto scooter roa nanafika ny « la soupe de l’Est » Anjoma. Ny telo lahy no niditra tao anatin’ilay trano fisakafoanana, ny iray niandry ny moto sy nanara-maso ny manodidina. Raha vao niditra izy ireo dia efa hitan’ireo andian-jiolahy ny fitoeram-bolan’ilay tompon’ny trano fisakafoanana. Lasan’ireo andian-jiolahy ny vola iray tapitrisa ariary, niampy ireo fahana tao amin’izy ireo. Efa nanao “versement” ny tompon-trano taloha kelin’izao fanafihana izao, ka ny ambin’ny vola sisa io lasan’ireto andian-jiolahy ireto io. Nanapoaka basy nanao tifi-danitra indray mandeha ireo andian-jiolahy nampitahorana ireo mpanjifa tao amin’ity trano fisakafohanana ity. Talohan’ny nandehan’izy ireo dia mbola norobain’izy ireo koa ny mpanjifa tao amin’ity trano fisakafoanana ity. Nandritra ny fandromban’ireto jiolahy ny mpanjifa no nisy olona iray naratra tratran’ny daroka vodibasy, noho izy namaly tsy nanaiky nanome ny fananany. Saika ny finday sy ny vola no lasan’izy ireo nandritra izany. Tsy naharitra ela ny fanafihan’izy ireo ny “la soupe de l’Est” fa tena haingana, satria tonga aloha ihany ny mpitandro ny filaminana, saingy efa tsy hita ireo andian-jiolahy. Ankoatra izay, fantatra fa niisa 300 ireo polisy sy 285 ireo zandary nohetsehina tamin’ity paska ity nanao izay fitandroana ny filaminana teto Toamasina izay.

Malala Didier

Fikambanana “FITEVA” : Nanao kaongresy telo andro teto Toamasina

23 taona taorian’ny kongresy voalohany natao tany Fianarantsoa dia izao indray vao niatrika izany kongresiny izany ny Fikambanana Ifanampian’n’ny Terak’i Vakinankaratra, “FITEVA”. Nosafidian’izy ireo ny teto Toamasina ka tao anatin’ny telo andro niatomboka ny zoma teo, dia niatrika izany kongresiny izany ny fikambanana FITEVA manerana ny nosy. Ny zoma tao amin’ny efitrano malalaky ny talem-paritry ny fanabeazana atsinanana no nanaovana ny tena kongresin’ny fikambanana. Nandritra izany no nanavaozana ny lalana mifehy azy, ka isan’izany ny fotoam-piasan’ny filohan’ny fikambanana, sy ny fotoana tsy maintsy anaovana ny kaongresy, izay isaky ny telo taona. Tamin’izao fihaonam-be izao koa no nifidianana ny filoha vaovao, ka lany tamin’izany ny filoha vonjimaika teo aloha ihany, Atoa Ratovo Henry Abel. Nofidiana nandritra izany koa ny filoha lefitra isaky ny faritany, ka Atoa Andriamifidy Ernest no lany filoha lefitra isam-paritra ho an’i Toamasina. Ny sabotsy teo kosa dia nisy ny “Carnaval” nataon’ireo zanak’i Vanikanankaratra eto Toamasina sy ireo solontena manerana ny nosy tonga niatrika ny kongresy teto Toamasina. Teo amin’ny toerana malalaky ny lapan’ny tanana no nifanome fotoana izy rehetra sy ireo nasaina manokana. Nandritra izany no nampisehoan’izy ireo ny fomba amam-panao sy ny kolontsaina avy any Vakinankaratra sy ny maha-malagasy rehetra izay nohafanain’ireo mpitsoka mozakan’ny tafika sy ny tarika avy any Antsahadinta. Ankoatra izay, izay nentin’ny fikambanana FITEVA namarana ny kongresy lehibeny faharoa tao anatin’ny 23 taona izao, dia ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao tao Andranomena Toamasina Suburbaine,, amin’ny lalam-pirenena faha-02. Nandritra izany no nisian’ny nofon-kena mitam-piahavanana teo amin’ireo samy mpikambana sy ireo nasaina.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici