- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilÀ lireFarihin’Alaotra : Lakana nivadika, valo mianaka natelin’ny rano

Farihin’Alaotra : Lakana nivadika, valo mianaka natelin’ny rano

Tao Ambatosoratra no nitranga ilay loza an-dranomamy. Valo mianaka izay nandeha lakana  teo amin’ny farihin’Alaotra no niharan’izany ny alakamisy hariva teo. Raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana dia rendrika ilay lakana rehefa nisy tafio-drivotra nandalo. Nohazavain’ny olona fa rambon-danitra no nitarika ny loza. Omaly tontolo ny fikarohana ireo olona tsy hita popoka. Nisy dimy hita mandram-paharivan’ny andro. Ny telo ambiny kosa dia hitohy rahampitso ny fikarohana azy ireo. Telo mianaka izy ireo ary misy zazakely mbola vao herintaona sy tapany. Notaterina tao amin’ny tranom-pokonolona Ambatosoratra ireo razana omaly ary nandrasana tao. Isan’ny olana lehibe ny tsy fanarahan’ny olona mampiasa lakana amin’ny fifamoivoizana sy ny fivelomana (jono) ny toetry ny andro. Etsy andanin’izay koa anefa, tsy misy afa-tsy ny haino aman-jerim-panjakana ihany no mba hahafahan’ny olona manaraka izany any ambanivohitra lavitra any. Raha sendra tsy naheno izany izy ireo amin’ny ora voatondro dia efa naman’ny tsy maharaka intsony izay mety ho fivadihan’ny andro. Vokatr’izany lasa mandeha an-jambany fotsiny amin’izao miaraka amin’ny risika ny maro amin’ireo olona. Fitadiavana rahateo ny fanjonoana izay mipetraka akaiky ny ranomasina sy ny ranomamy toa ny farihin’Alaotra ary na efa manjombona sy mandrivotra aza ny andro dia lasa ihany ny olona mamoaka lakana ary miandriaka. Mila fitaovan-tserasera izay miantefa amin’ny olona mipetraka ifotony kokoa mba ho fiarovana ny ain’izy ireo. Hatreto aloha mbola tsy nisy ny atrikasa izay tena manavanana ny manam-pahaizana ka nahakasika izany.  

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici