
Vao maraina omaly dia efa nahafaty olona ny loza an-dranomasina. Niala tao Toliara tamin’ny roa ora maraina ary nikasa ny ho any Soalala, raha araka ny fanampim-baovao azo. Teny an-dàlana no rendrika niaraka tamin’ny olona 34 izay nentiny. Ny 30 tamin’ireo nentiny no avotra soa aman-tsara raha toa ka namoy ny ainy kosa ny efatra ambiny. Nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly izy ireo mba hanaraha-maso ny toe-pahasalamana. Raha tsiahivina dia vao ny faran’ny herinandro teo koa no nisy sambo kely izay mpitatitra olona sy entana, rendrika an-dranomasina. Olona 12 no tsy hita popoka vokatr’ity loza nanjo ny sambo mitondra ny anarana M/S Fanevasoa ary mampitohy ny tapany atsinanana, isan’izany ny cap Masoala sy Mananara Avaratra. Ankoatra ny olona dia nitatitra hazo an-jatony maro ilay sambo kely rendrika. Tranga roa tamin’ny loza an-dranomasina izany no nahafaty olona maro tao anatin’ny herinandro. Izany dia mbola manaporofo fa mila araha-maso ny fitaovana izay ampiasaina amin’ny fifamoivoizana an-dranomasina mba hiarovana ny ain’olona izay taterin’izy ireny. Matetika dia mionona fotsiny eo amin’ny hoe efa misy « gilet de sauvetage » tsirairay ny olona dia afaka mihetsika ny sambo kely na lakana. Ny tena loza anefa dia misy amin’ireo fitaovam-pitaterana no mety efa misy mitriatra na mampidi-drano kanefa mbola mitondra mavesatra ihany. Ankoatra ny toetry ny andro, indrindra ny rivodoza dia io antony voalaza io hatrany no miverimberina amin’ny loza an-dranomasina. Mila tsirihina matetika izany izy ireny mba hialàna amin’ny faharendrehana.
D.R