- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversLakana Toamasina Festival : Hatao ny 31 oktobra hatramin’ny 03 novambra ny andiany...

Lakana Toamasina Festival : Hatao ny 31 oktobra hatramin’ny 03 novambra ny andiany faharoa

Raha tamin’ny andiany voalohany, dia ny Océan501 sy mpiara-miombona antoka taminy nanao izany ny taona lasa, amin’izao andiany faharoa izao kosa natsaraina avokoa ny zavatra rehetra, na ireo mpiara-miombona antoka aza nitombo ihany koa. Ao anatin’ny efatra andro ny lakana Toamasina Festival andiany faharoa ity, dia fanandratana ny fomban-drazana no mibahan-toerana izay no isan’ireo hetsika hatao eo anoloan’ny lapan’ny Tanàna, ny eny amoron-dranomasina, ny eny amin’ny “alliance française”, ny any Ampasimazava ary ny any Tahiti kely. Eo koa ny lafiny fanatanjahantena, izay hisian’ny lalao “volley-ball”, ny “Beach-volley”, ary ny hazakazaka amin’ny lakana hataon’ireo matihanina amin’izany, miainga eo amin’ny “Océan501” hatrany amin’ny “club Nautique” ary miverina indray. Ny mampiavaka ity hazakazaka lakana ity, dia misafidy ireo mpanamory lakana tiany ny mpiara-miombona antoka amin’ilay “voile” misy dokam-barotra entin’izao mpivohy lakana. Amin’ny maha-hetsika goavana ny lakana Toamasina Festival, dia tsy hadinoina ao anatiny koa ny  tontolo iainana. Vokatr’izany dia saika hetsika fampiasana herimbatana no maro, fa tsy hisy hery mekanika mandoto tontolo iainana.  Araka ny fantatra, dia isany mpanohana sy manara-maso akaiky ity lakana Toamasina Festival andiany faharoa ity ny minisitry ny kolontsaina sy ny serasera, Rtoa Rakotondrazafy Lalatiana Andriantongarivo. Vinaniana ho 20.000 eo no ho tonga hiatrika ny hetsika rehetra izay maimaimpoana avokoa, nefa manantena ny isa avo roa henin’izany ny mpikarakara.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici