Efa ho ripaka ny “varikandana” na “indri indri” ao amin’ny alan’ny Ankanin’ny Nofy amin’ny lakandranon’i Pangalana, amin’ny kaominina Ambinaninony Brickaville, fa misy manao tsaky ankehitriny ireto biby arovana eto amintsika ireto. Ny fidinana tany an-toerana natao ny 29 oktobra teo no nahalalana sy nanaovan’ireo fokonolona sy tangalamena ary filoham-pokontany fitarainana nitondrana porofo amin’ny fisian’izany. Ho an’i Hariniaina Amedé Vanito, mpiambina ao amin’ny trano fandraisam-bahiny Ankanin’ny Nofy dia ireo efa-dahy tao amin’ity trano fandraisam-bahiny ity dia isan’ny mpihinana izany varikandana izany. Nohamafisin’ity mpiambina ity satria isan’ny fady any amin’izy ireo ny fihinana izany ka nalainy sary ny zava-nisy noho izany. Indroa no hitany namono sy nihinana varika ireo efa-dahy, ny jona 2019 ny voalohany ary ny 11 jolay ny faharoa. Niafina izy ireo taorian’izay. Vokatr’io fihinanana varikandana io no nahatonga ilay mpiambina nitoroka azy efa-dahy tamin’ny mpitantana ny ala arovana, ka nanamoizany ny asany. Raha niakatra fitsarana ny raharaha ka nohafahan’ny fitsarana ireo mpihinana varikandana ireo, dia misy mifofo ny ain’ity mpiambina ity izao. Mirefy 56Ha ny velaran-tany misy ity ala arovana ao amin’ny kaominina Ambinaninony misy ny Ankanin’ny Nofy misy ireo varikandana misy mamono sy manao tsaky ankehitriny. Miisa 11 ny karazan-gidro hita ao amin’ity ala arovana ity. Ny anglisy no tena liana amin’ny fitsidihana izany. Ho an’Atoa Roger mpanolontsaina eo anivon’ny kaominina Ambinaninony dia harena be ho an’ny kaominina ny fisian’ity ala arovana ity izay mampidi-bola vahiny ho an’ny kaominina sy mampitombo ny fizahan-tany any amin’izy ireo; saingy izao misy misompatra amin’ny fihinanana varikandana izao. Nanamafy izany koa ny Tangalamena Ialison izay nohamarininy hatrany fa isan’ny miteraka asa aho an’ny mponina any an-toerana ireo gidro ireo amin’ny fahatongavan’ireo mpizahan-tany. Ankoatra izany, ho an’ireo samy trano fandraisam-bahiny any an-toerana, tahaka ny “Le Palmarium” tena mitantana ny ala arovana ao Ankanin’ny Nofy, dia tsy fahazakana fifaninana no tena anton’izao fandripahana varikandana tena tian’ny mpizahan-tany izao. Nefa tsy hanaiky lembanana amin’izany izy ireo fa hanamafy ny fiambenana izany ho tombon-tsoam-pirenena amin’ny hareny sy fampitomboana ny fizahan-tany.
Malala Didier