- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversLakato – Moramanga : Rongony maina valo gony sy voly rongony...

Lakato – Moramanga : Rongony maina valo gony sy voly rongony saron’ny zandary

Rongony valo gony  250 kilao, miampy ny voany hatao masomboly 12 kilao, no saron’ny zandary tao amin’ny fokontany Ambatomasina, kaominina Lakato, ny 16 may. Nisy anefa ireo mbola teny an-tanimboly miandry ny fotoana hiotazana azy, ka tsy maintsy nopotehina niaraka tamin’ny sefo fokontany sy ireo zandary efatra mirahalahy tonga nanao ny asa teny an-toerana. Efa vonona tao anaty tranoambo ireo entana ireo no saron’ny zandary ato anatin’ny vondrontobim-paritry ny zandary eto Moramanga. Dia an-tongotra enimpolo kilaometatra vao tonga any amin’ity toerana ity, zana-tanàna roa mielanelana 3km no samy nahitana fambolena rongony, samy manodidina ny 3ha avokoa. Teo am-piandrasana ny mpividy azy ity tompony no tratran’ny zandary, ary niaiky izy fa mpivarotra ambongadiny, ary misy ny mpandray izany ao aminy. Efa natolotra ny fitsarana ity raharaha ity.Tsy hijanona ny ady ataon’ny zandary eto Moramanga amin’ny hanafoanana ireo mpivarotra sy mpamboly rongony, noho ity zava-mahadomelina ity fototry ny tsifandriampahalemana amin’ny lafiny maro.

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser