- Publicité -
vendredi, janvier 16, 2026
AccueilFaits-DiversLake Iarivo Village : Nidoboka am-ponja ny PRMP an’ny faritra

Lake Iarivo Village : Nidoboka am-ponja ny PRMP an’ny faritra

Lake Iarivo Village.

Naiditra am-ponja vonjimaika rehefa voarohirohy tamin’ny fanodinkodinam-bola ny tompon’andraikitry ny tsenambaro-panjakana teo anivon’ny faritra Analamanga nandritra ny fitondràn’ny governora Hery Rasoamaromaka. Raha ny fantatra dia tsy fandoavana ny volan’ny orinasa nanatontosa ny fanamboarana ny Lake Iarivo Village, izay fantatra amin’ny hoe « Building Mora », no tena antony. Nitory araka izany ny tompon’andraikitry ny orinasa ary nisy ny fanadihadiana nisokatra izay naha-voasaringotra ny PRMP. Ary tsy izy ihany, satria  tafiditra tao anatin’ny fanenjehana ara-pitsaràna koa ny governera teo aloha Hery Rasoamaromaka. Saingy io farany dia efa tsy eto an-toerana intsony. Ilay PRMP araka izany no tratra farany hatreto. Na izany aza dia efa mandeha ny mety ho famoahana didy iraisam-pirenena hanenjehana azy. Mitohy araka izany ny fanenjehana ireo mpanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ary tena andrandrain’ny maro ny fanenjehana ireo tsimatimanota teo aloha.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici