Tsy fanaovana aroloha, tsy fananana fiantohana sy fahazoan-dàlana. Tao anatin’ny adiny efatra monja dia efa nahatratra 404 ireo kodiaran-droa tsy nanara-dalàna tetsy amin’ny 67ha, nandritra ny fisavana tampoka nataon’ireo pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana. Tsy navela nihetsika moa ireto mpitondra azy raha tsy ara-dalàna tanteraka ireo antony nanajanona azy ireo.
Eo anatrehan’ny lozam-pifamoivoizana samihafa, saika namoizana ain’olona foana tato ho ato izay, dia nanapa-kevitra ny teo anivon’ny pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana fa hanao hetsika manokana ho fanentanana sy fampianarana ho amin’ny fanarahan-dalàna. Ireo kodiaran-droa aloha no tena notilina tamin’izany, satria araka ny fanazavana azo dia saika izy ireo foana no mamoa-doza sy mahatonga loza ho an’ny hafa. Tao anatin’izany hetsika, nanditra ny fijoroan’ireo pôlisy maromaro tao anatin’ny adim-pamantaranandro efatra, dia betsaka ireo mpitondra kodiaran-droa no voasava teny an-toerana. Maro ary tena maro, an-jatony mahery ireo tra-tehaka tamin’ny tsy fanarahan-dalàna. Raha ny antontan’isa navoakan’ny pôlisy, dia nahatratra 306 ireo mpitondra môtô tsy nanao aroloha, 93 ireo tsy manana taratasy fiantohana amin’ny loza, ary dimy kosa ireo tsy manana fahazoan-dalana hitondra kodiaran-droa. « Ireo antontan’isa ireo dia manamarika fa betsaka ireo mpitondra môtô no tsy manara-dalàna ka isan’ny antony mampitombo ny lozam-pifamoivoizana eto an-dRenivohitra ». Vokatr’izay moa dia nandray fepetra ireo pôlisy ka nogiazana sy tsy navela hihetsika teo an-toerana ireo kodiaran-droa nentin’izy ireo. Ireo mpitondra azy kosa dia nasaina naka aroloha na nanamboatra taratasy fiantohana ary naka fahazoan-dalana mamily aloha. Fantatra, fa tsy nijanona tamin’ireo mpitondra môtô ihany ilay hetsika teny an-toerana, fa nisy ihany koa ny fisavana ireo fiara nandalo. Ary nisy tamin’ireo mpamily azy ireny no tsy nitondra fahazoan-dalana ka nasaina naka izany aloha vao afaka nandeha. Tetsy andanin’izay, na dia efa nihatra efa ho volana vitsivitsy izay ilay fahazoan’ny sarety mivezivezy raha tsy amin’ny ora tokony handehanany, dia mbola betsaka ireo minia mandika ka voasakana teny an-toerana ihany koa. Ireto farany moa dia tsy navela hihetsika toy ireto mpitondra môtô sy fiara namany, raha tsy tonga ny ora ahafahan’izy ireo mandeha. Marihana hoy ny fanazavana, fa tsy tokony horaisina hoe fanasaziana akory ny tranga toy izany, fa fanazarana ny olona hanara-dalàna, indrindra mba ho fiarovana ny ain’izy ireo.
Marobe tamin’ireo mpampiasa làlana no nankasitraka ny hetsika toy izao, ary nilaza fa tokony ho- tohizana foana. Saingy hoe aleo rehefa mba fananarana sy fampanarahan-dalana dia mijanona ho izay fa tsy sanatria hiitatra amin-javatra hafa : filam-baniny, fangataham-bola, fanararaotam-pahefana ary ireo endrika kolikoly isan-karazany; izay efa hita hatreto fa nezahanareo hialàna sy hiadiana mafy tokoa. Eny fa na dia ao ihany aza ilay hoe « tanana efa zatra mitsotra » sy ny « saonjo iray saha tsy hilaozan’izay hamarara » …
m.L