Lozam-pifamoivoizana faharoa nitranga tamin’iny lalam-baovao Andohatapenaka iny, taorian’ny fisokafan’ity làlana ity. Olona roa no naratra mafy raha ny filazan’ireo olona teny an-toerana, tamin’ity indray mitoraka ity. Môtô iray no nandona mpandeha tongotra iray : ramatoa nilanja biriky. Samy naratra na ity farany na ilay mpitondra môtô, ary efa samy nalefa eny amin’ny hôpitaly avokoa. Potika tanteraka kosa tetsy andanin’izay ilay môtô nandona. Mazava ho azy fa tsy maintsy nandeha mafy ity farany, matoa toa izany ny vokatr’ilay loza. Tokony ho tamin’ny folo ora maraina tany ho any niseho ity tranga ity, araka ny fanazavana azo hatrany. Saika handeha hiampita ilay ramatoa no nipoitra avy any ilay môtô, ary nifaoka azy. Nipitika lavitra mihitsy moa ity vehivavy ity. Ary voalaza fa tsy nahatsiaro tena avy hatrany. Nianjera kosa ilay mpitondra môtô ary nitrosina tamin’ny tany, izay nitarika ihany koa ny faharatrany. Vetivety dia nitangorona ny olona. Ary rehefa vory olona eny amin’iny faritra iny, dia tsy lavitra ao anatin’izany ireo mpanararaotra sy ny mpanendaka. Niditra an-tsehatra avy hatrany moa ireo mpitandro filaminana nizaha ifotony ity loza ity ary nanaparitaka ireo olona nitangorona.
m.L



