- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversLalam-baovao Ankasina : Vato malao nisakan-dalana, fiara roa no tratra

Lalam-baovao Ankasina : Vato malao nisakan-dalana, fiara roa no tratra

Fisetrasetrana tsotr’izao sa fanakan-dalana ataon’olon-dratsy ? Ny alin’ny krismasy sy ny alahady alina lasa teo, nisy nametraka vato malao teny amin’ny arabe, tamin’iny lalam-baovao eny Ankasina iny. Noho iny faritra iny somary maizimaizina rahateo dia tsy tazana mihitsy ireto vato ireto raha tsy efa tena akaiky. Araka ny filazan’ireo teny an-toerana dia efa fiara roa no tratran’ireto vatobe ireto. Somary nandeha mora izy ireo ka afaka nitsoaka ihany fa tsy tafajanona tsy akory, eny fa na dia nahitana fahasimbana aza ny lohan’ireo fiara ireo. Ny filazan’ireo efa mpampiasa iny lalana iny moa dia somary faritra mena amin’ny resaka fanendahana sy fanafihana iny lalana iny. Tsy afa-bela amin’izany ireo sendra tratra alina eny amin’iny toerana, na io mandeha tongotra na io mandalo anaty fiara. Na ny atoandro aza moa dia maro ireo mody mangataka kanefa sady manendaka ihany. Tsy iray tsy roa, fa efa maro ireo mpitondra fiara no mitaraina ny amin’iny lalana iny. Heverin’ny maro fa mety ho karazana sakana ataon’ireo olon-dratsy ireto vato malao napetraka eny am-povoan’arabe ireny, mba ahafahan’izy ireo mandroba izay sendra tafajanona. Andro nahabe olona, tsy maintsy mandeha sy tratra alina rahateo ny sabotsy sy alahady teo, ka nanaraoraotra izy ireo. Eny fa na dia efa maro dia maro ihany aza ny mpitandro filaminana naparitaka sy nanao fisafoana. Saingy, tsy lany hevitra foana izy ireo, hanaovana ny asa ratsiny, hoy ny besinimaro. Manaporofo izany ity tranga ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici