- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversLalam-baovao ao Andranomadio Toamasina : Nirefotra ny basy, tokatrano iray noravain’ny jiolahy…

Lalam-baovao ao Andranomadio Toamasina : Nirefotra ny basy, tokatrano iray noravain’ny jiolahy…

Tena henjana ny asan-jiolahy ao amin’ny fokontany Andranomadio, ka lasa voasokajy ho faritra mena amin’ny mpitandro ny filaminana ity fokontany ity. Tokantrano iray izay mpivarotra no tafihan’ny jiolahy, ka nirongo basy ireo telo lahy nanafika ity fivarotana, ka ny iray nitondra basy lava sy ny iray hafa nitondra PA ary fahatelo ambiny nitondra antsy lavalela. Raha ny fanazavana azo dia nandondona varavarana ireo jiolahy ka taitra izahay, hay efa vaky trano no nitranga ary efa tafiditra tao an-trano izy telo lahy nifanatrika taminay telo miankina niaraka tamin’ny mpanampinay. Avy hatrany dia ireto finday enina tao an-trano no niraofin’ireto adian-jiolahy, ka norahonan’ireto andian-jiolahy tamin’ny antsy be sy basy ary nalain’izy ireo vola tao am-pivarotana mitentina 07 tapitrisa ariary. Tsy nijanona tamin’izay ireo jiolahy telo lahy fa niraofin’izy ireo koa ny entam-barotra tao an-tsena toy ny sigara, ny toaka, ny menaka sakafo, fahana finday, sakafo anaty boaty, ary ireo sakafo azo nalaina samy hafa…; raha nivoaka ny trano ireto jiolahy dia nanapoaka basy mba hampitahorana ny manodidina araka ny angom-baovao natao teny an-toerana. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa niantso polisy ihany ireo olona mpiara-monina amin’ireto fianakaviana ireto, saingy tar any fahatongavan’ireo mpitandro ny filaminana ka efa lasa ireo olon-dratsy vao tong any polisy. Vokatra izay dia manao antso avo ny vahoaka eny amin’ny fokontany Andranomadio ity, ny mba hametrahana toby na polisy iray eny an-toerana, fa lavitra loatra ny vahoaka raha hiantso ireo mpitandro filaminana amin’ny toby misy saika aty amin’ny tampon-tanana avokoa.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici