- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversLalam-baovao Tsarasaotra : Mandeha ny resaka fa misy matoatoa

Lalam-baovao Tsarasaotra : Mandeha ny resaka fa misy matoatoa

Olona sendra avy nanatitra olonaz teny Ivato no nitantara ny zavatra nanjo azy teny amin’ny lalam-baovao Tasarasaotra iny ny Sabotsy lasa teo. Maty tamlpoka teo antenan,tena’io lalana io ny fiaran’izy ireo tokony misasak’alina. Vaotery nitady izay hamelona io fiara io izy ireo izay nambaran’ny mpamily sy tompon’ny fiara fa tsy tokony hitranga mihitsy izany fahasimbana tampoka izany. Tsy velona mihitsy anafa ilay fiara ka niezaka nanakana fiara izay nadalo izy ireo mba hila vonjy. Nandritra izay anefa, raha araky ny fitantaran’izy ireo, no nandre olona miresaka tsy lavitra ny nijanona’ilay fiara izy ireo. Niezaka nijery sy nitady izy niavian’izany feo izany izy ireo fa tsy nahita na inona na inona. Nisy namana sendra nadalo anefa ka mba nijanona ary nanampy azy ireo. Ireto farany rehefa nahita fa tsy avotra mihitsy ilay fiara dia lasa niakatra taty Antananarivo mba haka famonjena. Nandritra izany ; niditra tao anaty ny fiarany ireto tra-boina ka mbola naheno indray ilay feo  izay tao ao aorian’ny fiara. Notazanina fa tsy nisy na inona na inona akory ny manodidina. Teo vao tonga saina ireo ka resy lahatra fa tena mety ho matoatoa fotsiny izao no niaraka tamin’izy reo teo. Azo eritreretina ihany angamba izany ho an’ireo izay mino ny zava-panahy. Tsy vao ela akory anie izay no nisy loza nisesisey tamin’iny lalana iny. Loza izay heverina fa tsy tokony hitranga nefa dia namoizana ain’olona ary tsy nahitana fanazavana mitombona mihitsy.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici